Auteur/autrice : Adnews

Fiofanana arakasa ao Toliara: Vehivavy mpiofana 20 notolorana fitaovana

Mitsidika ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasolo­arisoa Marie Marcelline, tamin’ity herinandro ity. Nandritra ny diany any an-toerana, nizara mari-piofanana sy fitaovana ho tosika fanombohana ho an’ireo vehivavy 20 nanaraka fampiofanana ny fampivoarana ny maha olona sy ny fitantanana tsotra, miaraka amin’ny fianarana […]

Fikambanana Fivama: mampisokatra lalana ny fahasahiana miteny imasom-bahoaka

Zava-dehibe amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fivelaran’ny maha olona mihitsy ny fananana fahatokisan-tena sy fahasahiana mijoro miteny sy maneho hevitra ary manao fandresen-dahatra imason’olona. Tsy ny olon-drehetra no manana herin-tsaina sy fahasahiana miteny ampahibemaso fa mila volavolaina sy fehezina mihitsy izany. Noho izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny vaiavy […]

FANTINA sy FINTINA

Any Johannesbourg ny depiote Ratsiraka Sophie, miatrika ny fivorian’ny Commission permanente démocratisation, gouvernance et droits de l’homme, eo amin’ny parlemanta eo anivon’ny Sadc. Miompana amin’ny hanatsarana ny rafitra fanaraha-maso sy ny lalàna momba ny fanafoanana ny fanambadian’ny ankizy sy ny hiarovana azy ireo ny dinika amin’izany. Naneho ny alahelony ny […]

CENI : miantso ireo kandidà hiditra amin’ny TVM/RNM

Nanentana ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolo­tsaina ny eo anivon’ny Ceni. Tokony hisitraka ilay roa minitra fidirana maimaimpoana ao amin’ny fahilatavi-pirenena, TVM, sy ny onjampeo nasionaly, RNM, izy ireo. Notsiahivin’ny Ceni fa efa amin’ny fiomanana amin’ny fampielezan-kevitra na “Pre­campagne” izao. “Efa nanomboka ny 14 oktobra hatramin’ ny 18 novambra, iray […]

Migrevy ny natiora!

  Zava-doza ny manjo an’ilay Madagasikara, indrindra ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ny Jirama hatrany no mahazo loza kanefa ilay natiora mihitsy no efa mitokona. Azo lazaina fa manafay ny zanak’olombelona ny “Mpahary” sy ny zavaboahary. Raha mbola nirehareha, tsy nianjadian’ny tsy fahampian-drano ireo tsy mampiasa paompy dia efa […]