Auteur/autrice : Adnews

Fampiatoana mpitsara efatra : mangataka fanafoanana ny fanapahana ny SMM

“Mangataka ny hiverenana amin’ny fanapahana noraisiny manoloana ireo namanay efatra naato tamin’ny asany sy notapahina karama. Misy ny paikady izay tsy voahaja tao anatin’izany fanapahana iza­ny”. Io ny fanambaran’ny Sen­dikan’ny mpitsara eto Ma­da­ga­sikara (SMM) novakin’ny filohany, Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy, omaly. Taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana, noho ny […]

Voan’ny be manaiky

    Manahirana ny miteny fa maro ny “raha” hita eto Madagasikara eto. Firenena voalaza fa mpandala fihavanana saingy itoeran’ny mpiantsaravelatsihy. Tsy misy toerana ho an’ny olo-marina sy mandeha mahitsy. Izay fetsifetsy sy mahay mivarotra am-pitsanganana no tompon’ny tanàna. Zary mivadika tanteraka ny rasa. Izay vandavandana no toa volamena, fa […]

TSELATRA

Naratra ny renim-pianakaviana iray nendahin’ ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Anosibe, omaly atoandro. Mody niditra toy ireny mpandeha ireny ilay jiolahy teo Anosizato Atsinanana. Niala teo amin’ny fiantsonana eo Anosibe Tsena izy ka nalainy an-keriny ny finday teny am-pelatanan’ny renim-pianakaviana iray sady nivoaka ny varavaran’ny fiara izy. Mpandeha iray […]

Kizo Andolosilamo : ankizilahy nalain’ny dahalo an-keriny votsotra

Nitrangana asan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana ma­hery vaika tao an-tanànan’Ambodivato, kaominina ambanivohitr’i Beravina, distrikan’i Morafenobe, ny 3 novambra 2024. Teny am-piraofana ahitra teny an-tanimbary, tao andrefan’ny tanànan’Ambodivato, no na­lain’ireto dahalo ireto ny omby miisa 54 an’ny raim-pianakaviana iray ao an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola naka an-keriny ankizilahy 10 taona ihany koa ireo […]

Andranomena : fiara roa kilan’ny afo

Fiara roa hotohoton’ny afo teny Andranomena, ny alin’ny alahady teo tamin’ny 9 ora sy fahefany alina. Mirongatra ny trangana fahamazaina trano tato ho ato. Naharay antso ny mpamonjy voina. Nigadona tao an-toerana nitrangan’ny loza izy ireo tamin’ny 9 ora sy 27 minitra. Nanao sarotra ny fifehezana ny afo noho ny […]