Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Hiroso amin’ny fampihodinana tsikelikely ny famokarana ataony ny orinasa Ambatovy rehefa niato nandritra ny iray volana mahery, noho ny fahavakisan’ny fantsona mpitatitra akora mampitohy ny fitrandrahana ao Moramanga sy ny orinasa ao Toamasina. Nitaky asa betsaka ireo fanarenana ireo, anisan’izany ny fanamarinana ny hamafisan’ny fantsona. Tsiahivina fa vaky ny 25 […]

Toekarena manga : antoky ny takalo ara-barotra

Hatolotra mialoha ny filankevitry ny minisitra, anio, ny fikasana ho fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa, ho fampiroboroboana ny fikarohana ny ranomasina sy ny harena ao aminy. Tanjona ny hampandrosoana ny toekarena manga eto amintsika. Mandray anjara 80% amin’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany ny ranomasina. Fonenan’ny 80% ny zavamananaina eto ambonin’ny tany koa izy ary […]

Fampiroboroboana ny fambolena : nampahafantarina ny tatitra momba ny sakafo

Hanampy amin’ny famantarana ny tarehimariky ny fambolena sy ny vokatra azo avy aminy ary ny fomba fihinanana izany ny boky mirakitra ny voka-panadihadiana mahakasika ireo sakafo misy eto amintsika, ny taona 2016-2022. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny sehatry ny fambolena. Ha­treto, mbola miompana amin’ny fambolena mahavelona ny […]

Ady amin’ny famarinana olombelona : nofanina ny mpiasan’ny Ravinala Airports

Anjaran’ny mpiasan’ny sera­nam-piaramanidina, ao amin’ny orinasa Ravinala Airports, any Nosy Be no nisitraka ny fampiofanana mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona, izay nataon’ny BNLTEH. Nampahafantarina azy ireo ny karazana mari-pamantarana manan-danja izay mety hitarafana trangam-pamarinana olombelona. Amin’ny maha mpisehatra voalohany azy ireo eo amin’ny fifamezivezen’ny olona eny amin’ny seranam-piaramanidina, manana […]

INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatry ny “Toussaint ” isika ankehitriny. Mitombo ny fivezivezena any amin’ny faritra Atsinanana sy any amin’ireo faritra hafa izay mankalaza ny 1 novambra. Manentana ny rehetra, araka izany, ny ATT mba samy hitandrina ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Eo koa ny fanamarinana ny taratasin’ny fiara rehetra sy ny […]