Auteur/autrice : Adnews

Boriborintany I, II, III : nampianarina hanatsara ny fihariany ireo vehivavy

Ho fanatsarana ny fiveloman’ireo renim-pianakaviana, nanao ezaka fampiofanana fanatsarana fihariana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka fiofanana momba ny fanamboarana ranon-tsavony sy menaka fanorana ireo vehivavy 70 ao amin’ny boriborintany voalohany sy faharoa ary fahatelo. Niandraiketan’ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa amin’ny miankina sy ny tsy miankina izany. Hitohy ny 9 novambra […]

Fahasalamana : 23% ny mpianatra no tratran’ ny fikorontanana ara-tsaina

Manazava ny fomba fikoloana ny fahasalaman’ny saina Rabemananjara Lova Maël, mpandalina ny tontolon’ny fahasalamana ara-tsaina sy ny fiainan-tsoa, nandritra ny resaka natao tamin’ny eTalk. Mahavita manatratra tan­jona na kely na lehibe ireo olona milamin-tsaina. Na mandalo sedra mafy na mora dia mahavita miatrika izany. Mahomby amin’ny zavatra ataony ary manana […]

Nihazona taolam-paty 8 gony : telo lahy notanana am-ponja

Niakatra fampanoavana, naiditra vonjimaika any am-ponja, avokoa ireo telo lahy na­hatrarana taolam-paty mitotaly valo gony tao Ana­la­ma­ri­na, distrikan’Andilamena, afakomaly. Naharay loharanom-baovao avy tamina tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy telo lahy mampiahiahy ny manodidina ao an-toerana. Nidina ifotony ny zandary miasa ao Andilamena, nahatrarana taolam-paty nifatratra tamina gony teny […]

Caisse d’Epargne de Madagasikara: vao teraka ny zaza dia efa manana tahirim-bola

Feno 100 taona ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tahiry, isaky ny 31 oktobra. Etsy ankilany, niforona ny taona 1918, izany hoe, efa 106 taona ny Tahirim-bola eto Madagasikara na « Caisse d’Epargne de Madagascar (CEM)”. Nambaran’ny tale jeneraly, Ranaivoharisoa Rinah, fa ny mampiavaka ny CEM ny maha rafi-panjakana, velona […]

Fihezama – “Critérium National” : hanetsehana indray ireo taranja matory

Eo am-panomanana tanteraka ny “Critérium National”, ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Fihaonambe na­sionaly hotanterahina ny zoma 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Pedro Andralanitra. Tanjona ny ha­netsehana indray ireo taranja matory, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond. Hetsika maro no hanamarihina io fotoana […]