Nisokatra omaly, 14 avrily, hatramin’ny 30 mey ny fifaninanana ho an’ny Loka Pierre Castel 2025. Hiompana amin’ny fanavaozana sy fampiasana ny teknolojia amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ny fifaninanana, sady mitsinjo ny tontolo iainana. Natao ho an’ny tanora mpandraharaha, malagasy 18 hatramin’ny 45 taona, mipetraka eto Madagasikara izy ity. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fahavitan-tena ara-tsakafo: Hatao foibe famokarana masomboly vary safiotra ny any Antalaha
Tsy hisy intsony ny fanafarana vary avy any ivelany. Ho tanteraka izany amin’ny famokarana masomboly vary safiotra eto an-toerana, iarahana amin’i Sina. Nidina tany Antalaha ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny 11 avrily teo. Tao anatin’ny delegasionina ihany koa ny teknisianina avy any Chine, manam-pahaizana […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray 52 taona maty nilatsaham-potaka tany Bemasoandro, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, ny alahady lasa teo. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy io, niaraka tamin’ny olona telo hafa. Nandroaka omby efatra izy ireo no nirefotra tampoka ny varatra ka niantefa taminy. Tsy nisy naninona kosa ireo omby. Lehilahy roa nosamborin’ny Polisy […]
Saika handroba volam-piangonana: Vehivavy novonoina, roa lahy voasambotra
Voasambotra ireo jiolahy namono vehivavy iray teny Ambatolampy Tsimahafotsy izay nikasa hangalatra ny volam-piangonana. Novonoina ny tompon-trano rehefa tsy nahazo ny volabe izy ireo, ny alin’ny 31 marsa hifoha 1 avrily lasa teo. Hiakatra fitsarana, anio, ilay mpiambina namono ny mpampiasa azy sady nandroba ny entana sarobidy tao amin’ny fokontany […]
Fanafihan-jiolahy : Fito lahy nisaron-tava nandroba 6 tapitrisa Ar
Lelavola 6 tapitrisa Ariary niampy finday avo lenta efatra sy firavaka volamena noraofin’ny jiolahy fito lahy tao Toamasina, ny alahady 13 avrily teo. Nandositra ireo mpandroba. Novakian’ireo olon-dratsy ny fidirana ny trano, tamin’ny 03 ora maraina. Nisalotra lamba mainty ireo mpandroba sady nanafina endrika. Nilanja antsibe rahateo izy ireo. Tsy […]