Auteur/autrice : Adnews

Malagasy Guitar Masters: Hizara traikefa sy hanao fampisehoana

I Teta, Chrysanto ary Rija Randrianivosoa. Ireo izy telo mirahalahy mandrafitra ny Malagasy Guitare Masters amin’izao fotoana. Tsy tafaraka matetika noho ny asa aman-draharaha sy ny tany honenana mifanipaka, saingy tsy avelan’ny mozika hisaraka ela. Herinandro vitsivitsy izay no mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianavosoa. Tafa­haona tamin’i Chrysanto izy. Niantso avy […]

Mondial 2026 : Hisy lalao «pronostic Woco” iarahana amin’ny Star

Efa miaina tanteraka ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, “Mondial 2026”, ny rehetra amin’izao fotoana izao. Manoloana iza­ny, manomana lalao roa ny World Cola (Woco) sy ny orinasa Star, amin’ny alalan’ireo vokatra vaovao vokariny. Nampahafantarina teny An­dra­nobevava izany, ny alarobia lasa teo. Ho hita amin’ireo tavoahangy […]

Kianja Barea Mahamasina: Ahina tsy handray ireo lalao hifanintsanana Can 2027

Taorian’izay volana maromaro niresahana fa hatao bozaka safiotra “hybrides” ny Kianja Barea Mahamasina izay, tsy nahenoina resaka intsony ny tohin’ny asa fanamboarana. “Hampiantrano ny la­lao fifanintsanana Can ihany ve ny kianja Barea?” Io ny fanontaniana ao an-tsain’ny mpankafy maro amin’izao fotoana. Ny 21 septambra – 6 oktobra ary ny 9-17 […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny fifamoivoizana any amin’ny lalam-pirenena RN2, eo amin’ny PK61 hatramin’ny PK63, eny Mandraka, anio. Hanomboka amin’ny 1 ora hatramin’ny 2 ora tolakandro izany. Antony, noho ny fanapoahana vato, ilaina amin’ny fikojakojana sady fanarenana ny RN2. Tsy misy ny fivilian-dalana, mandritra ireo fotoana ireo. Miisa 7 ny tohodrano vita […]

Laboratoara eny amin’ny Ladoany : Nanome fitaovam-pitiliana siantifika i Chine

Naneho ny fanohanany ny Fadintseranana Malagasy, omaly, ny firenena sinoa. Na­nolotra fitaovam-pitiliana siantifika maromaro, hampitaovana ny laboratoara ao anatin’ny Foibe akademian’ny Ladoany malagasy any Toamasina izy ireo. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy (DGD), Randrianjafy Antoine, fa zava-dehibe miavaka ity nataon’ny firenena sinoa ity, satria, hanampy sy hanatsara ny asan’ny […]