Hotanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, ny fampirantiana ny tetikasa «Invitation aux Temps». Fampirantiana tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno, laharana faharoa nandritra ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahavalo, miaraka amin’ny Fondation H. Ity tetikasa ity dia manasa antsika hanaiky ny fiovana sy ny tsingerina voajanahary […]
Auteur/autrice : Adnews
Saïry : Miaro, mampahalala ary mampiely ny mozika malagasy
Mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianivosoa. Ankoatra ny nandraisany anjara tamin’ny fampisehoan’i Lalatiana, nampahafantatra ny asan’ny Saïry Production izy. Natambatry ny mozika Malagasy. Patrick Lavaud, talen’ny “Les Nuits Atypiques” any Langon, izay anisan’ny niketrika ny Feo Gasy niaraka tamin’i Erick Manana. Nadiah Randriamananjara, misehatra eo amin’ny tontolon’ny famokarana zavakanto. Rija Randrianivosoa, […]
Faribolana Sandratra: haseho an-tsehatra ny “Embana”
Embaña, fiteny avy any amin’ny foko Sihanaka any, izay midika hoe “elatra” raha avy ao afovoan-tany no nosafidian’i Nirihaja, Tiavina, Haingohaja, ary Kalo Fanomezana, izay samy mpikambana eo anivon’ny Faribolana Sandratra, ho lohatenin’ny seho izay hotanterahin’izy ireo ao amin’ny CGM/GZ Analakely, ny sabotsy 26 oktobra 2024 amin’ny 3ora tolakandro. Ao […]
Festival Jerijery: hetsika ara-kolontsaina any Vavatenina
Hatao ny 30 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, any Vavatenina, faritra Analanjirofo ny «Festival Jerijery». Nambaran’i Tovy Carinah, fa mampiavaka an’ity andiany faha-20 ity ny maha hetsika ara-kolontsaina Betsimisaraka azy, indrindra ny vakodrazana. Mahatratra 1 tapitrisa Ar ny loka ho an’ny voalohany amin’ny fifaninanana. Hisy koa ny hetsika […]
Mila mandray andraikitra : mihalefy ny hira milamina
Amin’ny ankapobeny, mizara roa ny hira na ny gadonkira faheno andavanandro. Ny mihetsiketsika sy ny milamindamina. Niainga teo amin’ny taona 2000, nihazakazaka be ny fivelaran’ny hira mihetsika raha ny mifanohitra amin’izany ny hira milamina… Kanefa, maro mpitia izy io ! Nandritra ny fampisehoana «Mandrapihaona» notontosain’i Voahangy tao amin’ny CCEsca Antanimena […]




