Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B. Lalao anisan’ny niady ny fifandonana teo amin’ny Zoulou Papa sy ny AT2B, sokajy Vétérans lehilahy. Isa 41 no ho 39 no nivoahan’ny Zoulou Papa ho mpandresy. Hanatanteraka fihaonana “Mini-Basket”, basikety ho an’ny ankizy, ny […]

Youth Camp 2024 : miofana any Abidjan i Tantely sy i Tiffany

Taorian’ny fiofanana ho an’ny zazalahy, anjaran’ny zazavavy indray no miatrika ny “Fiba Regional Africa Youth Camp”, izay hatao any Abidjan, Côte D’Ivoire. Fiofanana nanomboka omaly ary hifarana ny 26 oktobra izao. Efa nigadona any an-toerana ny fiandohan’ity herinandro ity ny Malagasy mpilalao, Rasoariniaina Tantely, mpilalaon’ny Fandrasa sy Rabeniami­na Kaloniaina Tiffany, […]

Baolina kitra, vehivavy – «Cosafa cup 2024»: resin’ny Barea tamin’ny isa 5 no ho 1 i Maurice

Nanao be fiavy ny Barea de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa Cup”, sokajy Sénior, vehivavy, taranja baolina kitra. Nomontsaniny tamin’ny isa mavesatra ny Club M Maurice. Tsara fanombohana ny Barea de Madagascar, vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny […]

Kaominina Mahasolo : dahalo lavon’ny tifitry ny dahalo

Dahalo mirahalahy mpangalatra omby nifanenjehan’ny zandarimaria nandritra ny hazalambo tao Ambalasoaray, fokontany Maevarano, kaomininina Mahasolo, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy ireo. Naharay fampahafantarana ny mpitandro filaminana ka nane­tsika ireo vatan-dehilahy hanidy ny kizo ahina handosiran’ireo tsy valahara. Nirondra fitaovam-piadiana rahateo ireo mpandroba ka nanao sarotra ny […]

Toamasina : notafihin’ny jiolahy ny tranona zandary sy polisy

Tsy mifidy intsony ! Izay no azo iantsoana ny fihetsiky ny jiolahy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, ny herinandro teo. Voalohany tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tokantranona polisy iray no novakian’ny jiolahy. Varavaramby ny tranony kanefa sahin’ireo olon-dratsy no namaky izany. Nahava­riana tamin’ity raharaha ity, navelan’ireo olon-dratsy teo ivelan’ny trano […]