Taorian’ny fanomezana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra teo anivon’ny Sekoly Ambaratonga Fototra (EPP) Ankadinandriana, ny herinandro teo, fitaovam-pianarana samihafa natolotra ho an’ireo mpianatra eo anivon’ny CEG sy EPP teny an-toerana. Hanampy betsaka ny ankizy hifantoka amin’ny fianarana ny fahazahoana ny tolotra tahaka izao. Maro ny olan’ny ray aman-dreny sasany eto amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Faneva Liantsoa : maniry ny hisian’ny kianja tsipy katenibe eny amin’ny Cité Itaosy
Ho fanampiana ny tanora sy ny ankizy misehatra eo amin’ny lalao tsipy katenibe eny amin’ny Cité Itaosy. Maniry ny hananganana ny kianja filalaovana izany eny an-toerana, i Faneva Liantsoa, tompondaka maneran-tany ny taona 2021 lasa teo. Mandritra izao fankalazana ny faha-60 taonan’ny Cité Akany Sambatra izao. Manam-paniriana ny hisian’ny “boulodrome”, […]
INDRAY MIJERY
Rehefa manaraka fitsaboana sy ny toromarika mandritra ny enim-bolana tsy tapaka ny olona iray mitondra ny tsimokaretina VIH dia tsy mamindra intsony. Maimaimpoana ny fanomezana ny fanafody ARV ho an’ireo efa mitondra ny tsimokaretina eto amintsika. Anisan’ny asa ifotoran’ny minisitera ny Asa, ny fampananan’asa sy ny asam-panjakana ny ady atao […]
Ady amin’ny VIH: ilaina ny mitady mpamatsy vola fanampiny
“Efa azo fehezina ny tsimokaretina VIH amin’izao fotoana izao. Satria, maro ny tolotra ahafahana mifehy ny fiparitahana sy ny fifindran’ny tsimokaretina indrindra ho an’ ireo olona efa mitondra ny VIH”, hoy ny mpandrindra ny Ainga Aides, Dr Ravelohanta Mananarisoa, ao anatin’ny tetikasa Rafitra eny ifotony fanairana momba ny VIH (Sycavi), […]
Ampefiloha Ambodirano : Fako 500 m3 nanentsina ny lakandrano
Andro aman’alina ny asa ataon’ireo ekipa isan-tsokajiny hanadiovana ny lakandrano sy ny tanàna hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ny fihavian’ny orana. Nanala ireo fako mitsingevana sy mavesatra teny amin’ny lakandrano amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano ny MDAT tamin’ny alalan’ ny ekipa teknika Apipa, notronin’ny teo anivon’ny Boriborintany IV sy ny SMA. Manodidina […]




