Auteur/autrice : Adnews

« Festival Thrillers » : tanjona ny hanome sehatra ny karazan-javakanto mampatahotra

Raha ho an-dry zareo ivelany, efa manana ny toerany ny karazan-javakanto mampatahotra. Maro ny Malagasy mpanakanto efa mahafehy ny famokarana sy fanatontosana zavakanto ao anatin’io karazany io. Izany indrindra no antony hisian’ny hetsika ho fanomezana sehatra azy ireny. Hotanterahina eny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny 26 hatra­min’ny […]

Fampivoarana ny fanatanjahantena : maka lesona, hanarina ny lesoka ny minisitera

Nandray fanapahan-kevitra mahakasika ireo vokatra ratsy azon’i Madagasikara, tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena ara-panatanjahantena, ny minisitra mpiahy, Abdoulah Marson Moustapha, omaly, teny Maha­ma­sina. Voaresaka tao indrindra ny baolina kitra. Nampahafatarina, omaly, tetsy Mahamasina, ny fiaraha-miasan’i Marôc sy i Madagasikara, mba ho fampandrosoana ny fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra eto an-toerana. Namba­ran’i […]

VAOVOA TAMBATRA

Manentana ny rehetra ho mailo sy hanjifa ny solika eny amin’ireo mpaninjara ara-dalàna sy manana fankatoavana ny OMH. Manentana ny tsirairay hitoroka ny tranga hafahafa eny anivon’ireo tomponandraikitra izy ireo. Mamotika ny toekarena sy manimba ny fiara ny solika mitapoka ary voararan’ny lalàna ny fanaovana izany. Napetraka ny faritra hanandratana […]

Tao anatin’ny telo volana fahatelo : 444 ireo orinasa ara-dalàna niforona

Mitotaly 444 ny antontanisana orinasa nisoratra anarana eo anivon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) tao anatin’ny telo volana fahatelo, ny taona 2024. 82,6% izany dia misehatra eo amin’ny tontolon’ny fanorenana, ny tsena, ny tolotra ary ny niomerika. Porofo izao fa manomboka mahazo vahana eto amintsika ireo sehatra ireo. Na […]

Mila mahay miara-monina

  Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Efa nilamindamina ny resaka fijalian-dranon’Antananarivo. Nahavaha amin’ny ampahany betsaka ny olana ny fametrapetrahana barika plastika manerana ny tanàna. Manampy fianakaviana maro ny fivezivezen’ny kamiaobe mpitati-drano. Milamina aloha ny amin’iny na dia vonjy tavanandro sy anenjehana hamehana ihany […]