Auteur/autrice : Adnews

Vahaolana mahagaga

  Efa mivaha tsikelikely iny ny olan’ny rano. Efa nihena ny mantsimantsina eny ankalamanjana sy ny any anaty fiara fitateram-bahoaka. Efa mba azo iainana ny toerana vory vahoaka. Tsy mahamenatra ny milaza fa nisy fotoana teo aloha tena tsy nahataitra ny mponin’Antananarivo ny fofon-trondromaina, raiki-tapisaka tamin’ny vatan’olombelona. Zary natao fihomehezana […]

Fihaonan’ny CSI sy ny depiote : hosorohina ny kolikoly eny amin’ny asam-panjakana

Mamarana ny dingana faharoa amin’ny famolavolana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly ny tomponandraikitra. Nanamarika izany ny fihaonana tamin’ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly. Anisan’ny nitarika izany, nanoloana ireo solombavambahoaka, ny filohan’ny Komitin’ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, sady anisan’ny mpitarika ny komity ho an’ny famolavolana ny paikady. Nivoitra, tamin’izany, ny volavolana tolo-kevitra […]

TSELATRA

Zaza menavava hita faty teny Ambohipo cite, omaly maraina. Nariana teo amin’ny toeram-pako io zaza io. Tsy fantatra ny nahavanon-doza nanary azy. Ny mponina manodidina ihany no nahatsikaritra ny fisian’io fatin-jaza io. Fiaramanidina iray “ULM Hydravion”, niala tao Nosy Be, mampitohy an’i Dzaoudzi, tsy hita nanomboka ny 20 oktobra teo. […]

Fanapohana solika : olona 24 nahatrarana solika 761 410 litatra

Nahatrarana lasantsy 750 000 litatra niampy gazola 11 410 litatra, olona 24 natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava Fiadanana, ary natolotra ny fampanoavana omaly. Naha­ray fitarainana tamin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo fa misy tambajotra mpanapoka solika sy mivarotra izany antsokosoko ao Toa­masina. Nidina ifotony tamin’ny toerana voatondro ny zandarimaria. Trano […]

Nakorontana ireo razana : fasana efatra novakian’ny jiolahy

Razana miisa telo vao nalevina tsy ela no hany sisa tsy nosavoritahan’ny jiolahy tao Bemananony, fokontany Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, afakomaly. Olon-tsotra handeha ho any an-tsaha vao maraina no nahatsikaritra fasana nisokatra. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nojerena ny fasana kinanjo efa niparitaka avokoa ny razana. Nozahan’ny mponina koa […]