Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Olympique Lluis Companys Espagne, ny fifanandrinan’ny Fc Barcelone, klioba espaniola, sy ny FC Bayern Munich, Alemà. Lalao izay tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2025 (LDC)”, taranja baolina kitra. Mbola manala vela amin’ireo bavaroa ny ekipa mpampiantrano amin’ity fihaonana […]
Auteur/autrice : Adnews
Taekwondo – “Mada 2024”: 500 mahery ny mpifaninana
Ny 30 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao, any Mahajanga, no hatao ny fifanintsanana nasionaly amin’ny taranja taekwondo. Araka ny vaovao voaray omaly, avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD), mahatratra 500 mahery ireo mpikatroka hifaninana any an-toerana. Araka ny nambarany hatrany, avy amin’ny ligy fito izay mandrafitra […]
Handball – «Mada Sénior 2024» : niala an-daharana ny Asco Toliara
Ekipa iray goavana no tsy miatrika ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja handball, sokajy Sénior, ny Asco Toliara. Tsy tonga ihany koa ny CHM Boeny teo amin’ny lalao voalohany tokony ho nataony, omaly. Miditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Sénior, lahy sy vavy. […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny fampianarana kabary maimaimpoana izay karakarain’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, ny kolontsaina, ny vakoka ary ny fianam-piarahamonina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Manda Mpikabary. Hanomboka ny sabotsy 26 oktobra izao, manerana ireo Boriborintany I, III, IV ary V izany. Afaka misoratra anarana eny anivon’ireo Boriborintany ireo izay […]
« Mode éthique et durable » andiany faharoa : hamolavolana mpandraharaha amin’ny lamaody
Mitohy hatramin’ny 30 oktobra 2024 ny hetsika « Mode éthique et durable », andiany faharoa, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Hetsika izay tetikasa miteraka vokatsoa eo amin’ny sehatra maro. Anisan’ny mahazo tombony amin’izany ny eo amin’ny sehatry ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana. Eo ihany koa ny fampandrosoana lovain-jafy. […]




