« Tano ny anao fa ny an’ny hafa tsy omeny ary tsarovy fa Malagasy anie ianao » ! Io no antom-pisian’ny tarika Gasy mi… Mitafy fahavononana hanandratra hatrany ny hira sy soatoavina malagasy. «Ny « mi… » azo halavaina amin’ny hoe : miangaly, milay (tsara), mankafy ny raitra sy ny kanto, sns », hoy […]
Auteur/autrice : Adnews
Tazomoka : aretina mahafaty, indrindra ny zaza latsaky ny dimy taona, raha tsy voatsabo
Aretina mirongatra amin’ny vanim-potoana mafana ny tazomoka na “paludisme”. Aretina mahafaty haingana, indrindra ho an’ireo marefo sy ny zaza latsaky ny dimy taona izy io, raha sanatria ka tsy voatsabo ara-dalàna. Vanim-potoana mafana ny tena mampirongatra ny aretina tazomoka. Anisan’ny firenena tena iharan’ity aretina ity i Madagasikara satria ambony ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hanampy ireo vehivavy sy ankizy any am-ponja ny eo anivon’ny “Sentinelles”. Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tetsy Faravohitra, ny alatsinainy teo, ny filohan’ny fikambanana “Sentinelles”, i Christiane Badel. Voaresaka fa hohatsaraina ny fiaraha-miasa hanomanana ireo sokajin’olona ireo hiverina eny anivon’ny fiarahamonina rehefa mivoaka ny fonja. Efa miroso amin’ny […]
Andriamanana Nivoarivony: “Mety ny fakana ordonnance…”
“Mety izay famerana ny fe-potoana fangatahana didy hitsivolana izay. Satria mety hiteraka olana indray eo amin’ny fifampitokisana momba ny lisi-pifidianana, raha mbola mahazo mangataka izany amin’ny androm-pifidianana. Na hoe feno didy hitsivolana be dia be tonga avy any… Hanahirana izay.” Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny fiarahamonina sivily avy amin’ […]
Vahaolana mahagaga
Efa mivaha tsikelikely iny ny olan’ny rano. Efa nihena ny mantsimantsina eny ankalamanjana sy ny any anaty fiara fitateram-bahoaka. Efa mba azo iainana ny toerana vory vahoaka. Tsy mahamenatra ny milaza fa nisy fotoana teo aloha tena tsy nahataitra ny mponin’Antananarivo ny fofon-trondromaina, raiki-tapisaka tamin’ny vatan’olombelona. Zary natao fihomehezana […]




