Hahazo vahana ny tsiokan’ny alizay manomboka anio. Hisy fidinany ny maripana ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoantany manontolo. Ankoatra izay, hisongadina ny fiakaran’ny maripana any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy. Eto Antananarivo, hahatratra 17°C ny maripana ambany indrindra, raha 28°C kosa ny ambony indrindra, ho an’ny anio. Hotanterahina rahampitso ka hatramin’ny 24 […]
Auteur/autrice : Adnews
Fandaharanasa Kix : hanatsarana ny politikan’ny fanabeazana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny fandaharanasa “Knowledge and Innovation eXchange” (Kix). Fandaharanasa entina hanatsarana ny politikan’ny fanabeazana sy ny fomba fampianarana amin’ny alalan’ny fifampizarana fahalalana sy traikefa eo amin’ireo mpisehatry ny fanabeazana amin’ireo firenena mpisitraka izany, indrindra ireo firenena 68 mpikambana ao amin’ny GPE (partenariat mondial […]
Fampianarana ambony : mahasarika mpiofana ny « cours en ligne »
Fomba iray ampiasaina hampitana fahalalana amin’izao fotoana izao, ho an’ny fampianarana ambony, ny « cours en ligne » mikirakira ny teknolojia vaovao. Ho an’ny olona efa manana anton’asa mbola vonona ny hanitatra fahalalana amin’ny taranja iray manokana no misafidy azy. Mampiasa ny fampianarana « cours en ligne » ny University Reference eny Amoronakona, nanomboka […]
Fanaovam-baksiny : nampiasaina ny paikady rehetra hanatrarana ny taha 95%
Nifarana omaly ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana ny ankizy amin’ny aretina kitrotro sy lefakozatra ho an’ny faritra 23. «Nohamafisina ny paikady ka naverina indray ny fitetezana tokantrano, ny faran’ny herinandro teo, hatrany amin’ny efitrano fiangonana efa nanaiky ny fiaraha-miasa tamin’ny ekipa mpanao vaksiny, hoy ny mpitsabo lehiben’ny CSB II Tsarasaotra, […]
Rugby – «Top 12 Mada»: Tsy nahatohitra ny Cosfa ny TFA Anatihazo
Nitohy teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Top 12 Mada”. Voahaja hatreto ny lojika, mbola manjaka sy misongadina hatrany ireo ekipa lehibe, anisan’izany ny Cosfa (Bebaoty) izay nandavo ny TFA Anatihazo (Pilo kely), tamin’ny isa 53 no ho 22. Noporofoin’ny […]




