Auteur/autrice : Adnews

Nifanenjehan’ny olona : mpangalatra vomanga matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray nangalatra vomanga teny an-tsaha, tao amin’ny fokontany Fenoa­rivo, kaominina ambanivohitr’i Be­sakoa, distrikan’i Beki­ly, ny alakamisy alina teo. Tra­tran’ny tompom-boly izy tamin’io alina io satria matetika very ny vomanga maniry eny an-tanimboly ka nahatonga azy nanara-maso ireo mpangalatra ahina ho tom­pon’antoka amin’izany. Na­nohitra sady nikasa hamono […]

Nanapa-doha : mpampianatra iray maty voatifitry ny zandary

Rotiky ny balan’ny zandary ny mpampianatra iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanapahan-dohana mpampivelona tao Nosilava Farafangana, ny alakamisy teo. Nentiny ny lohan’ity renim-pianakaviana ity raha najanony ny vatany… Lavon’ny balan’ny zandary tao Nosilava Ambohi­mandroso, distrikan’i Fa­rafangana, ny alakamisy teo, ny mpampianatra mpanampy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana. […]

EPP Ankadinandriana: nisitraka fanampiana avy amin’ ny Groupe Andriantsitohaina

Nanatanteraka asa sosialy teo anivon’ny Sekoly am­baratonga fototra (EPP), tetsy Ankadina­ndriana ny Groupe Andriantsito­haina Media (GAM), omaly maraina. Na­hitana fitaovam-panoratana, kahie 500 isa ny tolotra. Nisitraka ny tolotra ireo mpianatra 309, indrindra ny kilasy T4 sy T5 eo anivon’ity sekoly ity. “Hetsika nanehoana ny fahavononan’ny vondrona GAM ha­nampiana ny sehatry […]

Madagascar 3M: maro ny fiangonana lasa mivaona amin’ny fitorian-teny

Hanatanteraka hetsika iraisam-pirenena amin’ny toriteny maneho ny hevitry ny Baiboly ny Madagascar 3M ny 6 ka hatramin’ny 9 novambra izao, eny By-Pass. Fotoana hampahatsiahivana ireo mpitondra fivavahana sy mpiantsehatra amin’ny fitorian-teny mba hiainga amin’izay voalazan’ny Baiboly ary hanasinkasinana ny tenin’Andriamanitra. Lohahevitra voizina ny “Fiangonana Salama ka ao anatin’izany no hanoritsoritana […]

Rano tsy madio: Mirongatra ny aretin-kibo

Anisan’ny aretina mpahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, tato anatin’ity volana oktobra ity, ny aretin-kibo antsoina hoe: « gastro-entérite », raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray etsy Analakely nanontaniana. Aretina mahazo ny tsinay sy ny vavony ary azo avy amin’ny fisian’ny viriosy sy katsentsitra izy io, amin’ny ankapobeny. Antony mahatonga izany […]