Auteur/autrice : Adnews

Mpiasa ao amin’ny Groupe Axian : miray hina miady amin’ny homamiadan’ny nono

Nanao diaben’ny firaisankina, ho fanamarihana ny «Octobre Rose», ireo mpiara-miasa ao amin’ny vondrona Axian, omaly, tetsy amin’ny Galaxy Andraharo. Ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny homamiadan’ny nono izay mahazo ny vehivavy ny antony. Nitarika ny diabe, omaly, ny filoha tale jeneralin’ny Axian, Hassanein Hiridjee. Ny 38% ny mpiasa amin’ ireo orinasa […]

Valanaretina kolera : miato ny fitaterana avy any Comores

Mbola mirongatra ny valanaretina kolera any amin’ny Nosy Comores. Nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana ny hanakatonana vonjimaika ny sisintany amin’ny fitaterana an-dranomasina avy any an-toerana hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Fantatra izany nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Ny sambo mitondra ireo entana stratejika ihany no mahazo alalana ary tsy […]

Antsirabe : naverina ny paikady mitety tokantrano hampanao vaksiny

Tsy manaiky ny hanaovana ny vaksiny any an-tsekoly ny tsy miankina. Betsaka koa ny ray aman-dreny tsy marisika. Vokany, naverina ny lamina amin’ny fitetezana any an-tokantrano. Ho fanomanana ny fanatanterahana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana amin’ny aretina kitrotro sy poliomelita eny anivon’ny sekoly, efa nitafa sy nanentana mialoha ny talen-tsekoly […]

SOMBIM-BAOVAO

Raha ady sahala ny lalaon’i Comores sy i Gambie, eo amin’ny andro fahefatry ny ady tapakila amin’ny «Can Maroc 2025», ka mandresy amin’ireo lalao roa farany ny Barea, dia tafita amin’ny Can indray i Madagasikara. Tsiahivina fa i Tunisie sy i Comores no miandry azy ireo. Nosoloin’ny AS Ste Anne […]

Beach -volley-Faritra fahafito : hampiantrano ny fifaninanana i Madagasikara

Nampahafatarin’ny Fede­rasiona malagasin’ny taranja volley-ball (FMVB), omaly, tetsy amin’ny Telma Andra­haro, fa hampiantrano ny fihodinana faharoa ny fifaninanana afrikanina, taranja volley ambony torapasika «beach-volley», aty amin’ny faritra fahafito, i Madagasikara. Fifanintsanana izay hotanterahina any Mahajanga, ny 27 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao, ary ny sokajy Senior, lahy sy vavy, […]