Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny Barea, vehivavy. Miisa 23 mirahavavy izy ireo no nantsoin’i Portez l’Hydrensia sy Ramiaramanana Haingomalala Ninette, mpanazatra ny ekipa nasionaly, ka ny enina amin’izy ireo dia milaravinahitra any ivelany avokoa. Ahitana mpilalao mifanintsana any Comores, […]
Auteur/autrice : Adnews
Basikety – « Road To Bal » : lavon’ny GNBC ny JKT Tanzania, mpampiantrano
Nahazo vokatra tsara nandritra ny fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, izay nanomboka omaly, tany Tanzania, ny Gendarmerie nationale basket-ball club (GNBC). Lavon’ny GNBC, 89 no ho72, ny JKT. Tsara fanombohana ny ekipan’ny zandary GNBC, omaly, tamin’ity fifanintsanana taranja basikety, “Road To Bal”, izay tontosaina any Tanzanie, ity. Lavon’izy ireo, […]
Famoahana setroka tafahoatra: 2 000 isan-taona ny fiara voasintona taratasy eto Antananarivo
Miaina tanteraka ao anatin’ny fahalotoan’ny rivotra ny firenena maro maneran-tany, tato anatin’ny taona maromaro izay. Voakasik’izany, indrindra ny renivohitra, noho ny habetsaky ny fiara sy kodiarandroa mifamezivezy. Anisan’ny miaina izany koa ny eto Madagasikara, anisany Antananarivo. Mahatratra 91% ny mponina maneran-tany no miaina miaraka amin’ny rivotra maloto. Ambony kokoa ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nomen’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, toromarika hiatrehina ny fifidianana ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy any Bongolava sy ny distrikan’Andramasina, omaly, teny Faravohitra. Teo koa ny namahana ireo olana samihafa ary ny nametrahana ny paikady sy ny fampahafantarana ireo lalàna. Nanao fanambarana ny MTS any Mahajanga, fa manohana […]
Vondrom-bahoaka eny ifotony : hisy ny fanatsarana ny famatsiam-bola
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny momba ny fitsidihana fifanakalozana ny Tahirim-bola fampindramam-bola ho an’ny vondrom-bahoakan’i Côte d’Ivoire, atao eto Antananarivo, ny 25 hatramin’ny 29 novambra ho avy izao. Ny mahakasika ny famatsiam-bola sy fanatsarana ny fomba fiasan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no hisongadina mandritra izany. Eo ihany koa ny fivoriambe […]




