Auteur/autrice : Adnews

Malala Andrialavidrazana: mampiranty ny kantony ao amin’ny Palais de Tokyo, ao an-drenivohitr’i France

Misongadina ao amina toeram-pampirantiana malaza maneran-tany indray ny sanganasan’ny Malagasy. Mizara ny « Figures » ho an’ireo mpitsidika ny Palais de Tokyo, ao Paris, i Malala Andrialavidrazana. Tena hoe goavana. Tamba-tsary mahatratra 60 metatra ny lavany ary 6 metatra kosa ny lavany no harantin’i Malala Andrialavidra­zana, ao amin’ny Palais de Tokyo, ao […]

Tarika Rossy: hanao seho mandritra ny telo andro

Tanterahina eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny 25, 26, 27 oktobra 2024, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Rossy. Hetsika ho fampahafantarana ny rakikira izay naparitaka ao amin’ny « Plateforme Moozik ». Samy hahazo ny anjarany avokoa ireo mpankafy ny tarika mandritra ireo fotoana ireo. Hokaloina ao avokoa ireo hira nankafizana sy nahalalana […]

Fahendrena sy hasina maha Malagasy: Nankalazaina omaly ny santatry ny fanetsana

Ny rindra sy lamina ara-boajanahary, izay zary lasa fahendrena sy mpikolo ny sain’ny Malagasy, no najaina ka nivadika ho fomba. Izany no lovaina sy ataon’ireo taranaka aty aoriana, ho fanomezana hasina ny rehetra sy anton’ny fankalazana. Notanterahina omaly, teny Mandriarika Ankazobe, ny lanonana ara-pomba malagasy nanaovana ny santatry ny fanetsana. […]

TSELATRA

Teratany Etiopianina naiditra eny Tsiafahy noho ny fisolokiana, ny 5 oktobra lasa teo. Nanafatra mpiray firenena aminy ho avy eto Madagasikara izy. Nomeny toky fa afaka hiasa any Canada ireo voasoloky ary nangalany vola 45 000 dolara, izany hoe, maherin’ny 225 000 000 Ar.