Very tany amin’ny ora farany ny fandresena tokony ho azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tany Maroc. Nanao sahala, 1 no ho 1, tamin’ny Scorpion Gambie, ny ekipa nasionaly malagasy. Niampy iray indray ny isa azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianja Stade El Arbi Zaouli Maroc. Nanao ady sahala, […]
Auteur/autrice : Adnews
MFFT sy ny masoivohon’i Frantsa: hatsaraina ny tolotra ho an’ny vahoaka eny ifotony
Miezaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL), manohana ny kaominina. Notontosaina nandritra ny telo andro, tany Antsirabe, ny fanofanana ho amin’ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny anivon’ ny kaominina. Niompana tamin’ny fitantanana ny sora-piankohonana. […]
Aretina bilarziozy na takilodrano: hatsaraina ny ady atao eto Madagasikara
Nisy ny atrikasa natao tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, nandinihina ny hanatsarana ny ady atao amin’ny aretina bilarziozy na takilodrano. Hetsika niarahan’ny Institut Bernhard Nocht de médecine tropicale (BINMT) avy any Hambourg sy ireo oniversitem-panjakana eto an-toerana mpiara-miombon’antoka aminy. Anisan’ny firenena ahitana bilarziozy betsaka i Madagasikara. Ahitana izany avokoa ireo disitrika 107 […]
Firenena Japoney: hamatsy sakafo sy rano any Toamasina
Nifanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa, ny alakamisy teo, ny firenena japoney sy ny firenena malagasy. Nitarika izany ny masoivohon’i Japon monina eto Madagasikara, Abe Koji, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Mahakasika ny fandaharanasa fanampiana ara-tsakafo ho an’ny taona 2024 no anton’ny fiaraha-miasa voalohany. Hanampy amin’ny fampanjarian-tsakafo izany. Voakasiky ny fifanarahana […]
Vondron’orinasa Andriantsitohaina: nentanina amin’ny ady amin’ny homamiadana ny mpiasa
Anisan’ny andraikitra ara-tsosialy sy toekaren’ny vondrona Andriantsitohaina ny fahasalaman’ny mpiasa. Ho fanamarihana ny « Octobre Rose », nisy ny fanentanana momba ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny tranon-jaza , omaly. Nampahafantarina ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina ny karazana fisorohana sy fahamailoana amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, omaly. […]




