Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy, nanao fanadihadina momba ny zava-misy mahakasika azy ireo ny Unicef, tamin’ny alalan’ny «plateforme U-Report». Miompana amin’ny hevitr’izy ireo momba ny miralenta, ny fahafantarany sy ny fampiharana ny zony ny fanadihadiana notanterahina. 18 tapitrisa no isan’ny zatovovavy latsaky ny 20 taona eto amintsika. […]

Sambava: Zokiolona 1 500 nizarana fehezan-karona

Natao tany Sambava, faritra Sava, ny fanamarihana ny An­dro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona. Nitarika izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Auré­lie, tamin’ity herinandro ity. «Zokiolona malagasy mandroso hasina, manatsara ny hoavin’ny taranaka» no nezahina novoizina nandritra ny hetsika. Ankoatra ny fifampizarana trai­kefa sy fanentanana samihafa, nisy ny […]

«QG Tanora» etsy Ankorondrano: Ivontoerana ahafahan’ny zatovo mivelatra amin’ny lafiny rehetra

Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Tanora, ny UNFPA, ny OIT ary ny fanjakana norvezianina ny fametrahana ny QG etsy Ankorondrano. Sehatra ahazoana mianatra, mikaroka, mifanakalo traikefa, mijery tolotrasa samihafa. Notokanana omaly, teny Ankorondrano, ao anatin’ny ivontoeran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny QG Tanora na foiben-toerana natokana ho an’ny tanora. «Sehatra iray ahazoan’izy […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina rahampitso tolakandro, ao amin’ ny Petit Palais des Sports Mahamasina, ny fampisehoana iarahana amin’ny Rheg The Gang. Fampi­sehoana handrenesana gadona metaly rano iray izy ity. Ankoatra ny fampisehoana, fotoana ahitana voalohany ny rakikiran’ny tarika ihany koa. Anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, no ahitana ny velakevitra iresahana […]

AFT Andavamamba : hisy ny fampahafantarana ny «Betro Elektriky»

Tanterahina eny amin’ny Alliance Française d’Antana­na­rivo (AFT) Andavamamba, ny 23 oktobra 2024, ny fampisehoana ny «Betro Elektriky» iarahana amin’ny ekipan’i Nazaria Tooj. Anisan’ny famokarana ao anatin’ny «Projet Dihy» izy ity. Tetikasan-javakanto ahitana dihy, hira, mapping ary horonantsary. Ireo karazan-javakanto ireo no natambatra ho iray ka nanome ny «Betro Elektriky». Anisan’ […]