Auteur/autrice : Adnews

Hafatrafatry ny Ceni : «Voarara ny fiantsoana ny olona hifidy ny kandidà»

Malalaka ny fampahafantaran’ny kandidà ny laharany anaty biletà tokana amin’ny hetsika ataony. Tsy mbola azo atao kosa ny mitaona ny olona hifidy azy. Nampahatsiahy ny toromarika momba ny “Pre-campagne” na ny mialoha ny propagandy ny eo anivon’ny Ceni. Tsy voafaritra ao anatin’ny lalàm-pifidianana izany. “Mbola voarara sy tsy azo atao […]

TSELATRA

Zazalahy kely nisy nanary teny Ambohimanala, kaominina Andoharanofotsy, omaly. Niantso ny zandarimaria ny sefo fokontany ary efa noraisin’izy ireo an-tanana io zazalahy io. Fiara roa nifandona ka potika tanteraka ny lohany teny By-pass, omaly maraina. Tsy nisy aina nafoy saingy niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana teny an-toerana ity tranga ity. Mpanondrana sokatra […]

Olona iray maty: Rallye nandona mpitaingina moto

Nitrangana lozam-piarakodia teny Mahitsy, omaly hariva. Fiara mpanao rallye iray no nifatratra tamina mpitondra moto nanao taingin-telo. Nisy fifaninanana momba ny hazakazaka fiarakodia teny amin’ iny faritra iny. Noheverin’ireo mpandeha moto fa hoe tsy misy fiara mandalo intsony tamin’ny lalana nandehanan’ izy ireo ka tsy taitra akory nandeha tamin’ny lalana […]

Toliara : miaramila maty voatifitry ny dahalo

Maty voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana tao amin’ny kaominina Tsifota, distrikan’i Toliara II, ny 10 oktobra 2024 teo, ny miaramila iray kilasy faharoa, Narson Frédéric, avy ao amin’ny Bataillon d’infantérie Toliara. Noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny feny no nitarika ny fahafatesany na efa nentina haingana nihazo […]

Telo andro nifampitadiavana: tovolahy hita faty natsingevan’ Ikopa

Hita faty natsingevan’ny ranon’Ikopa teny Tanjombato ny tovolahy iray, omaly tolakandro. Voalaza fa nivoaka ny trano izy telo andro lasa izay ka nifampitadiavan’ny fianakaviany. Tovolahy vao erotrerony hita faty teo amin’ny ranon’Ikopa, ambanin’ny tetezan’i Tanjombato, omaly tolakandro. Olona teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra ny fisiana fatin’olona tao ana­tin’ny rano. Nahatsikaritra […]