Auteur/autrice : Adnews

Lavanila : laharam-pahamehana ny tombontsoan’ny mpamboly

Hatao mangarahara ny fitantanam-bola eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny kaomisionina momba ny lavanila (CNV). Jerena manokana ny tombontsoan’ny tantsaha hanatsarana ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara. Voaresaka nandritra ny fivorian’ny filankevi-pi­tantanan’ny kaomisiona momba ny lavanila (CNV), omaly, ny fitantanana mangarahara ny vola sy ny fomba hanatsarana ny sehatra miainga avy any amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Olona mifefitena no anarana akademika fiantsoana ny olona manana toe-tena autiste, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana Autisme federation Madagascar izay ivondronan’ny fikambanana 10 misehatra amin’ny fanabeazana ireo ankizy mifefitena eto amintsika. Efa miasa amin’ny faritra dimy ny Vovonana amin’izao fotoana. Nandray ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny sendikàn’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fampianarana […]

EPP Maibahoaka-Talatamaty : nahazo efitrano fianarana enina vaovao

Vita ny fananganana ny efitrano fianarana vaovao eo anivon’ny EPP Maibahoaka, kaominina Talatamaty. « Se­koly faha-25 notohanan’ny fondation Viséo ny eny Mai­bahoaka ary nanome vola ampahany namitana ny asa koa ny Groupe Enac, miorina sy miasa eny Talatamaty, nampiseho fahavononana ha­nampy ny mpiara-belona », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny fondation Viséo, Ralaiarizaka […]

Karama farany ambany : mbola maro ny mpiasa tsy misitraka

Nandritra ny fidinana teny anivon’ny orinasa maromaro nataon’ireo mpanara-maso ny asa, ao amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana no nahafantarana fa maro ireo lehiben’orinasa tsy mampihatra akory ilay karama farany ambany tokony hositrahin’ny mpiasa. Tsy sahy manao fitakiana na miandry ny rariny ireo mpiasa ka manaiky ny karama vary masaka […]

Fambara fahaketrahana : mila omen-danja ny fahasalaman’ ny saina any am-piasana

Fotoana hanomezan-danja ny fahasalaman’ny saina eny anivon’ny toeram-piasana ny lohahevitra hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana amin’ity taona ity, manomboka rahampitso ary haharitra hateloana, eto Antananarivo. Misy fambara fanairana tsy voatery miseho ety ivelany tokony hanaitra ny fianakaviana na ny manodidina fa mety tratran’ny fahaketrahana ara-tsaina ny olona iray […]