Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

“Tontolo Toly”, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ilay velakevitra iarahana amin’i Toly, mpanoratra sy poeta. Ho avy hifanotrona aminy ireo namany ao amin’ ny Faribolana Sandratra, ahitana an-dry Ranoe, Zo Maminirina, Tsitohery, sns. Eo ihany koa ireo mpanakanto efa niara-niasa taminy toa an’i Tovo […]

“Lecture en rire tours 2024” : mampifandray ny hatsikana sy ny vaky boky

Tanterahina, anio, eny amin’ny Trano famakiam-boky Amboditsiry, ny “Lecture en rire Tours 2024”. Hetsika mam­pifandray ny hatsikana sy ny vaky boky izy ity. Tsy ny hatsikana irery ihany fa misokatra amin’ireo zavakanto maro samihafa koa ny hetsika. Ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolontsaina sy vakoka ary fiainam-piarahamonina, eo anivon’ny Kaominina […]

« Jazz à l’Université »: hotsarona manokana ny Pr Serge Henri Rodin

Tanterahina, anio, eny amin’ny Oniversite Ankatso, ny « Jazz à l’Université ». Fampisehoana jazz, tafiditra ao anatin’ ny “Festival Madajazzcar”, andiany faha-35. Hetsika natao hanomezam-boninahitra ny Profesora Serge Henri Rodin, izay anisan’ny mpikambana tao anatin’ny komity mpikarakara ny “Festival Madajazzcar”, sy namorona ny Centre de ressources des arts actuels de Madagascar […]

Ony House : Ivontoerana hanandratra ny talentan’ny tanora

Tosi-tanana ho an’ny tanora manan-talenta ny fisian’ny tetikasa Ony sy ny Ony House. Hisahana manokana ny fanofanana sy ny tari-dia, mba hamadihana ireo tetikasa manodidina ny zavakanto ho lasa fidiram-bola ny ivontoerana. Natokana ho an’ny famoronana, ny fanofanana ary ny fandraharahana manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ivontoerana vaovao, manana […]