Anisan’ny mampitaraina ny mponina sy ny mpitatitra maro ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena samihafa. Misedra izany efa ela ny mponina any amin’ ny faritra Melaky. Tafiditra ho faritra saro-dalana indrindra eto Madagasikara izy io. Faritra afovoany andrefana eto Madagasikara i Melaky. Ahitana distrika dimy mandrafitra azy: Besalampy ao atsinanana, Ambatomainty, Morafeno […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy parlemanta ny fihaonan’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, sy ny delegasion’ny tale lefitra misahana an’i Afrika “Australe” sy ny minisiteran’i Eoropa miaraka amin’ny ranomasimbe Indianina ary ny masoivohon’i Frantsa, i Alexandre Olmedo, omaly, teny Tsimbazaza. Niaraha-nijery ny ho avin’ny Frankofonia. Nahitsy ny fanehoan-kevitry […]
Fifidianana kaominaly – ben’ny tanàna: 327 amin’ny 5 389 ny vehivavy kandidà
“Amin’ireo 5 389 kandidà ho ben’ny Tanàna, 5 062 ny lehilahy ary 327 ny vehivavy. Toy izao kosa ny salan-taonan’ ireo kandidà ho ben’ny Tanàna: 667 no 21 ka hatramin’ ny 35 taona, 2 172 no 36 ka hatramin’ny 50 taona, ary 2 550 no mihoatra ny 50 taona.” Io no […]
Eo ny vahoaka hitsara
Nivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà. Miroso ny fifidianana kaominaly: manakaiky vahoaka, miantoka ny fampandrosoana ifotony… Mby aiza? Na mba tena izay no mampihazakazaka… Laingalainga, tsy ilaozan’izay misy mahabe resaka etsy sy eroa. Nahoana? Politika no tena manetsika sy manesika ny sasany, fa tsy izay fampandrosoana loatra. Mbola ho azo […]
Fitantanana ny firenena: mitaky ny hanitsiana ny rafitra ny MFM
“Mila manitsy rafitra i Madagasikara raha te hanana fitoniana”, hoy ny antoko MFM. Ny fiaraha-midinika eo amin’ny mpanao politika sy ny filohan’ny Repoblika no tokonana amin’izany. Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana ny firenena ny eo anivon’ ny antoko MFM, tamin’ny alalan’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Ignace “Ramasy”. Nambarany fa anisan’ny […]




