Eo ny olom-baovao, eo ihany koa ireo efa goaika antitra amin’ny fanaovana politika, ka hifaninana eo amin’ny toerana izay ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Ho an’ i Toamasina Renivohitra manokana, miisa efatra ny kandidà, ny mpitsara Andriafanomezantsoa lovaheritiana Alain, izay zandrin’ny ben’ny Tanàna am-perinasa ihany no natolotry ny vondrona […]
Auteur/autrice : Adnews
Betongolo : mitohy ny fotoam-pitsarana miaramila
Nitondra fanazavana ny talen’ny fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy (DSNGR) sady mampahafantatra ny rehetra fa mbola mitohy ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra ny fitsarana miaramila. Eny amin’ny Kianjan’ny miaramila eny Betongolo ny fotoam-pitsarana ho miaramila taona 2024, manomboka anio 07 oktobra ka hatramin’ny alahady 13 […]
Kaominina Ambato : hampandrosoina ny tontolo ambanivohitra
Kaominina ambanivohitra nisedra olana sy tsy nahitana fampandrosoana tao anatin’ny taona maro ny ao Ambato, disitrikan’Ambohidratrimo. “Taraiky amin’ny lafiny maro io kaominina io raha oharina amin’ny hafa any an-toerana”, hoy Rakotondravao Sarobidy. Vinany ny hampandroso ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra ka antony nandrisika azy hirotsaka ho fidina ben’ny Tanàna. […]
Olan’ny angovo : vonona hiara-miasa amin’ny Jirama ny Filatex énergies
Eo am-pamaranana ny fanatanterahana ny fametrahana motera roa fanampiny ahafahana manampy herinaratra 7,62 MW ho an’i Mahajanga ny Filatex énergies amin’izao fotoana. Ny fahavitan’ity tetikasa ity dia hanamora ny fahafahana mikirakira sy mikojakoja ireo motera efa eo am-pelatanana ka hanampy ny famatsiana herinaratra ao Mahajanga. Namafisin’ny tomponandraikitra eo anivon’ ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita sonia ny Fandaharanasa manampy ny fitantanana ara-bola sy ny sandan-tohitra (résilience) ara-toekarena tapany voalohany iarahan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Hanatsara ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny tohana amin’ny fahafaha-mitaha sy ny sandan-tohitra ara-toekarena ary hampitombo 55% ny sehatry ny angovo azo havaozina izy io. Apetraka ny […]




