Fampandrosoana. Hifantoka amin’ny fahombiazana ara-pitantanana mivoy toe-tsaina ananan’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina ny famelabelaran-kevitra ifampizaran’ny Dr Fabrice Lollia, amin’ireo mpitantana orinasa sy tomponandraikitra ambony amina orinasa, ny 19 oktobra, eny amin’ny Club Olympique de Tananarive (Le COT) Ankadikely Ilafy. « Hozaraina amin’ireo mpitantana orinasa ny foto-kevitra sy paikady ary ny fomba fanaon’ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
raharaham-panjakana : nandray ny andraikiny ny tale vaovao
Tontosa ny zoma teo, tao amin’ny Lapan’ny faritra Atsinanana ny lanonana famindram-pitantanana eo amin’ny talem-paritry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hitantana ity sampandraraharaham-panjakana ity Rakotoarimampionona Judicael Rico. Voatendry taorian’ny filankevitry ny minisitra ny 25 septambra teo ny tenany ary handimby ny talem-paritry ny Fitaterana teo aloha, Andriantiana Théo Doris. […]
Famatsiana herinaratra : hihodina ny taona 2025 ny tobim-pamokarana ao Ambohimanambola
Hiasa manombola amin’ny volana jona 2025 ny tobim-pamokarana herinaratra ao Ambohimanambola. Hitondrana vahaolana fohy ezaka, hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Vahaolana fohy ezaka. Hamokatra herinaratra 105 MW ity tobim-pamokarana herinaratra eny Ambohimanambola mandeha amin’ny solika mavesatra ity afaka valo volana. Natomboka ny taona 2022 ny fanamboarana saingy mitarazoka […]
INDRAY MIJERY
Ho fampiharana ny didim-panjakana momba ny karama farany ambany isaky ny sokajin’asa ho an’ny orinasa tsy miankina, nanao fidinana ifotony teny anivon’ny orinasa ny « Inspecteurs sy contrôleurs du travail », ny herinandro teo, teto amin’ny faritr’Analamanga. Misy mpampiasa tsy manaraka ilay karama farany ambany voalazan’ny didim-panjakana. Nojerena ihany koa ny fiahiana […]
Sehatrasam-panjaka : antoky ny fanjakana tsara tantana ny torohay
Manohy ny adisisika amin’ny fampandaniana ny lalàna momba ny fisitrahana vaovao ho an’ny daholobe eny amin’ ny sehatrasam-panjakana ny Ilontsera. Nisongadina tamin’ ny adihevitra nataon’ireo tomponandraikitra fa antoky ny fiarahamonina milamina ny fisian’ny mangarahara. Miainga any amin’ny tomponandraikitra, amin’ireny biraom-panjakana ireny, nefa ny vaovao tena marina ka tokony ho zo […]




