Auteur/autrice : Adnews

Taom-baovao lohataona : nampiombona sy nanehoana ny kolontsaina isam-paritra

Nifarana omaly ny telo andro nankalazana ny lohataona taom-baovao malagasy. Tanjona napetraka ny hampiombona sy haneho ny kolontsaina rehetra isam-paritra. Tontosa tetsy amin’ny tranomboky nasionaly Ano­sy, ny sabotsy teo, ny hetsika fanomezan-kasina ny kolontsaina isam-paritra. He­tsika iray nanehoana ny kolon­tsaina mahakasika ny lohatoana taom-baovao malagasy. Anisan’ny nanamarika sy na­m­piavaka izany, […]

Tsy fandriampahalemana tao Toamasina: 227 ny olona maty nandritra ny roa volana

Olana iray mampimenomenona sy mampitaraina ny mponina amin’ny faritra rehetra ma­nerana ny Nosy ny trangana tsy fandriampahalemana. Anisan’ny miaina izany tsy tapaka hatramin’izao ny faritanin’i Toama­sina. Betsaka ireo olon-tsotra maty vokatry ny asan-jiolahy isan-karazany. Manjaka ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritr’Atsina­nana tao anatin’ny fotoana maro izay. Ahitana izany avokoa eny […]

FANTINA sy FINTINA

Hivoaka rahampitso ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Hitohy ny alarobia izao izany amin’ny fanaovana antsapaka ny ho laharan’ireo kandidà ao anatin’ny biletà tokana. Hotanterahina eny amin’ny CED isaky ny distrika izany. Apetraka ny paikady sy ny tsy maintsy hanaovana laharam-pahamehana […]