Auteur/autrice : Adnews

Fihaonana an-tampon’i Afrika : Solontena i Helisoa Mampionona

Hotontosaina any Addis Abeba, ny 14 hatramin’ny 16 oktobra ho avy izao, ny fihaonana an-tampon’ireo tanora aty Afrika. Hifanakalo hevitra mahakasika ny fitsinjaran-tsakafo sy ny “agroécologie” izy ireo. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka Andrianarimalala Helisoa Mampionona no hisolontena ny Malagasy amin’izany. Ny resaka momba ny fandraharahana eo […]

Fandaharanasa PIR : hampiroboroboana ny varotra

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Fandaharanasa enti-mampandroso ny isam-paritra (PIR). Anisan’ny sehatra voakasik’izany ny fikarohana lalam-barotra iraisam-pirenena sy ny fampiasam-bola maharitra. Tafiditra ao anatin’ny PIR ny Fandaharanasa tantsoroka hampandrosoana ny fanondranana entana ho an’ny faritra (Padeir). An’arivony ny Malagasy mpamokatra misitraka azy, ahafahan’ny vokatra eto an-toerana afaka mifaninana. Eo koa […]

INDRAY MIJERY

Tontosa ny fampiofanana enti-manamafy fahaiza-manao nokarakarain’ny fitaleavana ankapoben’ny Fampiroboroboana ny fampanananasa ao amin’ny departemantan’ny fampiofanana niarahana tamin’ny ONG Edugasscar ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Momba ny « Procédure de création d’entreprise et Fiscalité d’entreprise » no lohahevitra tamin’izany. An-jatony ireo mpiofana nahazo ny fampiofanana feno ka nahitana mpamboly, mpiompy ary […]

Cité universitaire R+1, Ankatso II : nasiana lavadrano hampiasain’ny mpianatra

Iray volana taorian’ny fifam­piresahana tamin’ireo mpianatra mahakasika ny olan’ny rano sy ny jiro eny amin’ny Cité universitaire R+1 Ankatso II, nitondra vahaolana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Napetraka ny faran’ny herinandro teo, teny an-toerana, ny vato fototry ny lavadrano (forage) ho an’ny Cité […]