Hotontosaina ny sabotsy 5 oktobra 2024, ao amin’ny Centre culturel et sportif Art’Manja Antsiranana, ny «Slam Fy Manja». Fampisehoana «Slam poèsie», larona mozika sy antsan-tononkalo. Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo tanora mpiangaly ny literatiora am-bava ao an-toerana, tanjona ny hanohanana an’Andrianahy Zanadaory Joel Bastino na Konahy Junior, izay hiatrika ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Teatra malagasy: Tropy Jeannette, 95 taona niakarana an-tsehatra
Tropy Jeannette no zokiny indrindra amin’ireo mpanao teatra malagasy. Feno 95 taona izao no nisiany, ary mbola manohy hatrany mampita sy mampitia ny teatra izy ireo. “…Io no tarik’Andriatinarivo”. Ampahan’ny tononkira anatin’ilay hira “Tropy Jeannette” io. Hira fanevan’ny tropy sy nampahafantarana azy hatramin’izay ihany koa. Io koa no anarana ampisalorana […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga omaly alina, hihazo an’i Maroc, ny delegasiona malagasin’ny ekipam-pirenena, Barea de Madagascar. Mpilalao miisa dimy no fantatra fa lasa any an-toerana, araka ny vaovao voaray omaly. Anio kosa no hivoaka ny lisitry ny mpilalao izay mandrafitra ity ekipa nasionaly amin’ny baolina kitra ity. Hotontosaina anio, any Dubaï, ny andro […]
Judo Malagasy: nanolotra fitaovana ny masoivoho japonais
Noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambohijatovo, ny masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara, Abe Koji. Maro ny resaka nifanaovana tamin’ity fihaonana ity, anisan’ny zava-dehibe tamin’ izany ny fanomezana fitaovana ho an’ny Federasiona malagasin’ny judo. Araka ny fanazavana voaray, natolotry ny japonais maimaimpoana ho […]
Basikety-N1A : fantatra ireo hanao manasa-dalana
Hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso sabotsy ny fiadiana ny tompondaka nasionaly “Elites 8” N1A, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 4 mendrika, sokajy lahy sy vavy, taorian’ny andro faha-7, omaly. Laharana voalohany ao amin’ny sokajy vehivavy, ny MB2ALL Analamanga, rehefa nandresy ny Ascut Atsinanana, tamin’ny isa 63 no ho 59. […]




