Nalaza ny tarika AmbondronA nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanakoako sy niteraka resabe ny fahafenoany ny Coliseum Antsonjombe. Nisy ny nandray izany ho tsara ka manararaotra ny nanao dokambarotra, nampiakarana ny laza. Misy ny namadika ho zava-dratsy, fa mbola nentina hampalaza sy hampiakatra ny mpanaraka eny amin’ny tambajotran-tserasera. […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : nohamoraina ny fahazoana taratasin-tany
Fanatsarana sy fanovana ny fomba fiasa eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana. Anisan’ny ao anatin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nidina ifotony nijery akaiky ny fandrosoan’ny asa momba izany tany amin’ ny distrikan’i Nosy Be ny delegasionin’ny minisitera, notarihin’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany fa […]
TSELATRA
Torana tsy nahatsiaro tena ny zazakely iray nianjera avy eny ambony fandriana tao amina tokantrano iray eny Anosizato Andrefana, omaly maraina. Lasa nandeha nilahatra rano vao maraina ny reniny ka nohidiany tao an-trano ny zanany izay mbola natory. Ny zanany efa mianjera eo amin’ny tany no hitany. Nentina namonjy toeram-pitsaboana […]
Alakamisy-Anosiala : nandoa ra, lehilahy hita faty tao an-tranony
Namoy ny ainy irery tao an-tranony, lehilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Anjanamasina, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, omaly. Nitaraina ho marary vavony tamin’ny reniny io lehilahy io ny harivan’ny alatsinainy 30 septambra. Nandoa ra anefa izy tamin’io fotoana io. Nandroso alina ny andro ka samy natory kinanjo tsy nisy aina […]
namono ramatoa 66 taona : Atidoha nikotrika ilay mpiandry omby
Niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo ny raharaha momba ny fanolanana niharo vono olona tao amin’ny fokontany Ambohitsinindriana, kaominina Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo. Vokatry ny angom-baovao nataon’ny mpitandro filaminana nanao famotorana, ilay mpiandry omby no tompon’antoka tamin’io vono olona io. Nampiditra ny jiolahy tao an-tranon’ilay ramatoa 66 taona, izay mpampiasa azy. Nanamparan’ireo tsy […]




