Auteur/autrice : Adnews

Faran’ny herinandro: hisy “Taombaovao” indray

“Lohataona: Taombaovaon’i Madagasikara”. Io indray ny “Taombaovao” manaraka eo, ankalazaina ny 4, 5 ary 6 oktobra ho avy izao. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, nataon’ny Communauté royale de Madagascar (CRM), omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fantatra tamin’izany fa hotontosaina ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova ny lanonam-panokafana, ny 4 oktobra […]

Haratsian-dalana : 10 isan’ andro ireo fiara misedra olana amin’ny lalam-pirenenana fahadimy

Mampimenomenona ny ankamaroan’ny mpandeha sy ny mpitatitra ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena eto amin’ny Nosy. Raha ho an’ny lalam-pirenena fahadimy manokana, fiara tsy latsaky ny 10 ireo misedra ola­na manoloana izany. Zato kilometatra miainga eo Toamasina ny halaviran-dalana misy an’i Fenoarivo Atsina­nana, izay renivohitr’Ana­lan­jirofo. Mahatratra 8 andro be izao ny faharetan’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny eo anivon’ny Ceni fa tokony hivoaka ny talata 8 oktobra izao, farafahatarany, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana eny an­ivon’ny kaominina. Hotanterahina eny anivon’ny ran­tsan’ny Ceni, ny alarobia 9 oktobra, tapany maraina kosa ny fisarihana ny laharan’ny kandidà tsirairay avy ao anatin’ny biletà tokana. Hentitra i Fanirisoa Ernaivo […]

Rakotovao Rivo : “Tsy misy olana eo anivon’ny Firaisankina”

Nilamina ihany… “Tsy misy olana eo anivon’ny Firaisan­kina, raha ny antoko efatra: ny HVM, ny Tim, ny Antoko politika madio, ny Tsara tahafina.” Izay ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakoto­vao Rivo, tany Mahajanga, omaly, ny amin’ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna, Mahajanga I. Tsy mirotsaka amin’ny anaran’ny Firaisan­kina izy, fa amin’ny […]