Auteur/autrice : Adnews

Analamanga Taekwon-do ITF: nahatratra 200 mahery ireo niofana

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fampiofanana ireo mpikatroka Taekwon-do ITF miisa 200 mahery. Tanjon’ity hetsika nokarakarain’ny kaomisionina rezionaly Analamanga ity ny hamoaka mpilalao hisolotena ny faritra any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, hatao ny faran’ny volana novambra izao. An­koatra izay, natao hanamafisana ny […]

Marathon – Mada 2024 : hatao ny 10 novambra ho avy izao

Hanakatonan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny taom-pilalaovana 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja marathon. Hampiantrano izany ny ligin’Analamanga, ny 10 novambra ho avy izao. Handray anjara avokoa ireo ligy 14 mandrafitra ny federasiona, Analamanga, Vakinankaratra, Diana, Boeny, Itasy, Bongolava, Ihorombe, Fitovinany, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anôsy, Matsiatra […]

Federasiona malagasy Padel : manana vina ny hampivelatra ny taranja manerana an’i Madagasikara

Afapo tanteraka tamin’ny fifanintsanana “VMoto Padel Trophy” ny Malagasy mpilalao padel. Miisa 36 mianadahy ireo mpandray anjara tonga teny Ambatobe, ny 28-29 septambra teo. Hiezaka ny hanaparitaka ny taranja any amin’ny faritra ny federasiona. Nikarakara fifanintsanana “VMoto Padel Trophy” tetsy amin’ny Lamakoo Padel Center Am­batobe, ny faran’ny herinandro teo, ny […]

TARATRY ny KANTO

“Ny tantaran’ny jazz”. Velakevitra hoentin’i Gina Ramarosaona sy Faniry Ramampy, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, izy ity. Ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina ao Vatofotsy Antsirabe no hanaovana izany. Fanokafana sahady ny hetsika “Madajazzcar” izy ity, izay anisan’ny tanàn-dehibe faharoa handray. Manana mpanakanto maro mpiangaly azy ity rahateo i Vakinankaratra. Nampahafantarin’ny […]

« Nofy maitso » andiany fahatelo: efa fantatra ny mpandray anjara

Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 18 novambra 2024, ao amin’ny Alliance Française de Tamatave, ny «Nofy maitso-Festival de Slam poèsie et écologie», andiany fahatelo. Mpiangaly «Slam poèsie» ma­ro avy amin’ireo tanàn-dehibe miisa sivy eto Madagasikara, anisan’izany ny avy eto An­tananarivo, Mahajanga, Fia­na­rantsoa, Toliara, Antsira­nana, Antsirabe, Ambositra, Mananjary, Toamasina no handray anjara. […]