Mitohy ny fanavaozana ny fomba fiasa ao amin’ny fitantanana ny fadintseranana. Eo ny fanatsarana ny ao anatiny, ary miditra amin’ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra indray izao. Atao eto Antananarivo, ny 24, 25 ary ny 26 septambra izao, ny atrikasa fakan-kevitra rehetra, amin’ireo mpandraharaha sy ny rafi-panjakana voakasiky ny varotra ivelany. Fotoana […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Tsy hisy tranga miavaka hanova ny firafitry ny toetry ny andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity. Hitsoka malefaka ny varatraza manomboka anio. Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy. Tombanana hatrany ny orana ho an’ny morontsiraka avaratra atsinanana, ny maraina. Hisy fiakarana ny maripana, hanodidina ny 7- […]
Fanaovam-baksiny faobe : Ezahina ho 95% ny zaza hisitraka
Hanomboka ny volana oktobra izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe manaraka eto Madagasikara. Atao mandritra izany ny vaksiny fanefitry ny kitrotro miaraka amin’ny fanefitry ny lefakozatra (polio) ary ny fanatrarana ireo ankizy latsaky ny dimy taona rehetra izay mbola tsy nahavita vaksiny hatramin’ny farany. Ezahina ho vita, amin’izany, ny 95% amin’ny […]
Ankizy sahirana vonon-kianatra : am-polony isaky ny EPP ny mpianatra noraisina
Nanampy ireo ray aman-dreny ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ny tsy maintsy handraisana ny ankizy vonona hianatra nefa tsy manana ny hoenti-manana amin’ny latsakemboky ny Fram takin’ny sekoly. Am-polony isaky ny EPP eto an-dRenivohitra ireo ankizy manaraka fampianarana maimaimpoana any an-dakilasy rehefa nahafantatra ny fepetra vaovao naroson’ny fanjakana. Mazoto […]
Maro ny olana sedrain’ny fanabeazana : tsy ampy mpampianatra ny sekoly tsy miankina
Roa herinandro taorian’ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, mbola malaina manoratra anarana ny zanany eny amin’ny sekoly tsy miankina ny ray aman-dreny. “Zara raha mahatratra 70% ny tahan’ny fampidirana mpianatra ary misy toeram-pampianarana sasany aza mbola latsak’izany”, hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. […]




