Auteur/autrice : Adnews

Federasiona Taekwondo malagasy : nofoanana ny fampivondronana ny ekipam-pirenena

Tsy raikitra ny fampivondronana an’ireo mpikatroka taekwondo 33 mianadahy izay tokony hatao rahampitso. Raha ny fantatra, efa nandefa anarana atleta roa mialohan’ny fotoana ny filohan’ny Federasiona malagasy taranja Taekwondo teo aloha, ka tsy misy antony hanaovana ny fampivondronanana farany intsony. Hotanterahina any Ko­rea, ny 1 hatramin’ny 6 oktobra ho avy […]

INDRAY MIJERY

Nanara-maso sy nanombana ireo zava-bitan’ ny BNGRC amin’ilay tetikasa Mionjo any Anosy sy Androy ny Banky iraisam-pirenena, ny herinandro lasa teo. Delegasiona, ahitana manampahaizana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, solotenan’ny minisiteran’ ny Atitany sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ekipan’ny BNGRC…no nitsidika kaominina maro tany amin’ireo distrika iasana: kaominina Ambonaivo, […]

Distrikan’Antanimora Atsimo : nitondrana fanampiana ny traboina

Olona an-jatony, anaty fianakaviana maro, no traboina vokatry ny haintrano tao amin’ ny kaominina Imanombo, distrikan’Antanimora Atsimo, faritra Androy, ny herinandro teo. Namangy ireo traboina ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, ny faran’ ny herinandro ary nanao ny voinkava-mahatratra, nitondra fanampiana, hanarenana ny fahavoazana vonjimaika. Tsiahivina fa vokatry ny disadisa […]

USAID-Fampianarana teknika : hampiakarina ny lentan’ny fiofanana

Hanao fivoriana miaraka tsy ho ela ny ekipan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny USAID hamaritana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Io no tapaka nandritra ny fitsidihana nataon’izy ireo, notarihin’ny tale jeneraliny, Michelle Russell, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisitera Ampefiloha, omaly. Nandray azy ny minisitry ny Fampianarana […]

Taom-piofanana 2024-2025 : niakatra ny tahan’ny mpianatra miditra amin’ ny sekoly teknika

Nosokafana omaly, teny amin’ny toeram-pianarana teknika eny Mahamasina, ny taom-piofanana 2024-2025, niarahana tamin’ny minisitra mpiahy, Rasoloarisoa Marie Marcelline, sy ny mpiara-miasa aminy. Nampahatsiahivin’ny minisitra ny mpianatra sy ny mpiofana fa tsy diso safidy izy ireo nanatona ny toeram-panofanana teknika satria miankina amin’ny fahaiza-manao entin’izy ireo eny anivon’ny tontolon’ny asa ny […]