Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

«Eto ry lala» ! Hira sy tononkalo hotanterahina ny alahady 27 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Havoria Anosy. Seho tsy fahita tao anatin’ny taona maro. Hiaka-tsehatra ho an’ny hira ny tarika Ny Voamaintilany, i Benny ary i Voara (Tarika Fangia Kalo Gasy). Ratsifa sy Avelo Nidor […]

“Kafe literera” : hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

Tanterahina rahampitso, eny amin’ny trano famakiam-boky «Mille feuille» Ankoraho­tra, ny hetsika «Kafe literera», iarahana amin’ny mpanoratra Johary Ravaloson. Ny mahakasika ny boky «Fitiavana- Tanindrazana- Fozaorana» no resahina ao anatin’izany. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny tafa sy fizarana atolotr’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity amin’ireo mpankafy azy eto […]

« Angaredona Mozika Festival »: hanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto

Mozika miaina…Ilay mozika misy fanahy, iangalin’ny mpanakanto vory talenta ary raisin’ny mpankafy vonon-kivelatra no nanjaka nandritra ny « Angaredona Mozika Festival ». Nanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto maro nandray anjara izany. Eny, vitsivitsy ny mpijery tonga. Fa ireo nanatrika kosa dia mpanjifa samy resy lahatra fa manan-karena ny mozika Malagasy. Nanom­boka ny […]