Auteur/autrice : Adnews

Fehin-dalàna vaovao momba ny asa : nofanina ireo tale mpitantana mpiasa

Mitohy ny fampahafantarana ny fehin-dalàna vaovao momba ny asa hanamorana ny fampiharana azy eo anivon’ ny minisitera mpiahy sy ireo orinasa mpiara-miombona antoka amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny tontolon’ny asa manerana ny Nosy. Nizara fiofanana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Association malgache des directeurs des ressources humaines d’entreprises tamin’ty herinandro […]

Governoran’Anôsy : nanara-maso ny tetikasa RNT12A

Nidina mivantana nanara-maso ny fizotran’ny fanamboaran-dalana, RNT 12A, mampitohy an’i Taolagnaro amin’i Ebakika, ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelo­ma­nantsoa Voahary. Niaraka tamin’ireo teknisianina mpiara-miasa aminy ary ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Asa vaventy izy tamin’izany. Nifanakalo hevitra tamin’ny lehiben’ny tetikasa PACFC (Projet d’aménagement de corridors et de facilitation du commerce) izy […]

Fiatrehana ny rivodoza sy ny voka-dratsiny : manao fanazaran-tena ny BNGRC sy ny mpisehatra

Tanterahina omaly sy anio, ny fizarana sy fiomanana ataon’ny BNGRC sy ny mpisehatra rehetra hiatrehina ny fotoam-pahavaratra 2024-2025. Antananarivo sy Toamasina ny toerana nofidiana hanatontosana ny asa. Vao mifarana ny taom-pahavaratra dia miomana amin’ny taom-pahavaratra manaraka ny BNGRC sy ny ekipany. “Ny rivodoza no voina mpiseho matetika sy isan-taona eto […]

TARATRY ny KANTO

Hanomboka anio ny « Angaredona Mozika Festival », andiany faha-18. Hotontosaina eny amin’ny Canal Olympia ny seho fanokafana, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hanafana izany ny tarika Zandry Gasy sy Rajery. Hitohy mandritra ny faran’ny herinandro eny amin’ny Naturia Palm Ambohibao (RN3) kosa ny andiam-pampisehoana. Tarika ampolony no hifandimby an-tsehatra rahampitso sy […]

Sarimihetsika mampatahotra: halefa anaty efitrano ny « R+3, The Origin »

Sarimihetsika malagasy, fa tsy araka ny anarany ny « R+3, The Origin ». Ny nampiavaka azy amin’ireo aman-jatony efa nivoaka kosa, sarimihetsika mampatahotra izy ity. Efa nisy ny andiany voalohany tamin’ny R+3  izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Tohiny sady farany kosa ity hivoaka tsy ho ela ity. Alefa voalohany, ny 9 oktobra izao, […]