Tontosa ny 14 sy 15 septambra lasa teo, tao amin’ny Stade Leo-Lagrange, ny andiany faha-45 amin’ny “National de Chalon”, taranja tsipy kanetibe. Resy teo amin’ny famaranana ny ekipa malagasy, nahitana an’i Jean Bruno Andry sy Andrianjaka Jean-Michel (Tsetse) ary Rakotoniaina Faratiana (Tiana Kely). Lavon’ny ekipa nisy an-dry Paul Martin sy […]
Auteur/autrice : Adnews
Basikety-N1A : Ekipa 16 hifaninana
Hotontosaina ny 26 septambra hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana farany fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy, taranja basikety. Ekipa lahy 8 sy vavy 8 tafiditra ao anatin’ny Elites 8 no hiady ny anaram-boninahitra amin’ity fifaninanana ity. Ho an’ny sokajy N1A […]
“Rugby WXV III” : miisa 40 ireo mandrafitra ny delegasion’ny Makis Ladies
Afaka 10 andro, izany hoe, ny 27 septambra ho avy izao, any Dubaï, hanomboka ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja rugby, sokajy vehivavy, “WXV III”. Anisan’ireo firenena hisolo tena an’i Afrika i Madagasikara. Vonona tanteraka ireo vehivavy malagasy Makis hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja rugby “WXV III”, izay […]
INDRAY MIJERY
Taorian’ny fahamaizan’ny tranon’ny fianakaviana 13 teny Ankasina, ny zoma lasa teo, natsangana ny tranoheva ipetrahin’ireo traboina. Niarahan’ny BNGRC sy ny kaomina Antananarivo Renivohitra ary ny Croix Rouge Malagasy izany. Niditra tamin’ny fanolorana fanampiana ny fitondram-panjakana. Samy nahazo vary, menaka,voamaina ary kojakojan-dakozia sy fitaovam-pianarana izy ireo. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo […]
VIH/Sida : mampitony ny saina ny fitiliana atao
Manohy ny fanentanana ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny IST/Sida (Pnlis). Ny fanaovana fitiliana ihany no antoka iray hamantarana fa tsy mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida ny olona iray. Zava-dehibe, araka izany, ny fanaovana fitiliana hahafantarana ny tokony hatao. Mampitony ny saina ny fahafantarana fa miiba ny fitiliana natao. Hahafahana manamafy ny fiarovan-tena […]




