Auteur/autrice : Adnews

Manerana ny Nosy : ho maina ny andro

Tsy hisy tranga miavaka mety hanova ny firafitry ny toetry ny andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy ho marin-toerana ny habaka manomboka ny faran’ny herinandro noho ny fandalovana rindrin-drahona manakaiky ny morontsiraka atsimon’ny Nosy. Hale­faka kosa ny tsiokan’ny varatraza alohan’izay fotoana […]

OIT-Minisiteran’ny Fampianarana teknika : hovelarina amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa

Naneho fahavononana amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny OIT, taorian’ny fihaonana teny Ampefiloha, omaly. Hovelarina amin’ny sehatra maro ny fiaraha-mia­san’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa miaraka amin’ny mpitarika vaovao ny minisitera, Rasoloarisoa Marie Marcelline, sy ny Organisation intertnationale du travail (OIT), […]

Foire internationale de l’Agriculture (FIA): nanandratra avo ny fampivoarana ny famokarana

Tratra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny famokarana (FIA) andiany fahenina, teny amin’ny Parc des Expos Forello, Tanjom­bato, ny 12-15 septambra teo. Nisongadina nandritra ny efatr’andron’ny hetsika ny voka-pamokarana malagasy sy ny fanavaozana ary ny fampivoarana izany. Nanamarika ny hetsika tamin’ity andiany ity ny « Village biolojika » […]

Famokarana siramamy: Hatsaraina ireo fotodrafitrasa

Tonga nidina ifotony tany Ambilobe, ny sabotsy teo, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, nijery ny zava-misy ao amin’ny ozinina mpamokatra siramamy, taorian’ny dinika niarahany tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Niara-dia tamin’ny minisitra ny tale jeneralin’ny Fambolena eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny […]