Hay tan-dalàna ihany Ramalagasy rehefa mihenjana ny mpitondra. Manomboka mahavelombolo ny mivezivezy ao afovoan’ny tanànan’Antananarivo. Vao nesorina sy nafindra toerana ny mpivarotra amoron-dalana sasany dia efa misosasosa sy migodana ny arabe. Mba mihena ny fitohanana izay sady mahasorena no mahavery fotoana. Hita ho miha mazava izany ny tanàna, milamindamina […]
Auteur/autrice : Adnews
Ravalomanana Marc : tsy misy idiran’ny fanjakana ny tsy fahazoany mirotsaka
Tsy misy ambadika politika fa olana amin’ny antontan-taratasy no sakana ho an’ny Kandidan’ny Tim, Ravalomanana Marc. Tsy misy idiran’ny fanjakana izany. Mila manara-dalàna ny rehetra, hoy Rakotondrazafy Lalatiana. Terena ho misy antony politika ny tsy fahazoan’ ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, mirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna. Ny tsy fahafenoan’ny antontan-taratasy […]
TSELATRA
Nitrangana fanafihan-dahalo mirongo basy mahery vaika tao Antsakoamarigne sy Andriambe, kaominina Imanombo, afakomaly. Lasan’ireo mpanafika ny fananan’ireo olona rehetra tao amin’io tanàna io. Olona iray maty notifirin’ireo malaso rehefa nikasa hanohitra. Tsy vitan’izay, mbola nodoran’izy ireo koa ny tanàna. Trano 48 tafo kilan’ny afo. Naratra ny renim-pianakaviana iray nofaohan’ny bisikileta […]
Nandoro fananan’olona : olona 19 niara-naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja ireo 19 voasaringotra tamin’ny fandorana sy fanimbana ny entana rehetra, an’ny mpandraharaha iray, tao Antsambalahy, distrika Port-Bergé, ny 13 septambra teo. Faty antoka tanteraka no nianjady ilay tompon’entana lasibatra satria nivadika ho lavenona ny fananana nohariana tao anatin’ny taona maro. Tsy vitan’io, nosimbasimban’ny andian’olona ny gony […]
Soaniadanana : roa lahy tratra teo am-pangalarana
Voasambotry ny zandary tao Soaniadanana, distrika Ankazobe, omaly maraina, ireo jiolahy roa voarohirohy ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fangalarana sy fanimbana fananan’olona. Tapitra very ny jiron’ireo olona mipetraka ao amin’ny tanàna vaovao niorina tamin’ny alalan’ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe. Maro ny fitarainana voarain’ny zandary momba ny fisiana fanimban-javatra ao amin’ity […]




