Auteur/autrice : Adnews

8 taona niketrehana… : “Masoandro”, rakikira voalohan’i Day

Tsy toa ireo mpanakanto mihazakazaka amin’ny famoahana vokatra izy… Tsy maika ny hiaka-daza koa, kanefa nizara ny mozikany teo foana. Izao vao tapa-kevitra ny ha­moaka ny rakikirany voalo­hany i Day. 8 taona no niketrehany ny “Masoandro”, izay haroso ho eny an-tsofina sy hipaka any amin’ny atifana­hin’ny tena mpankafy mozika amin’izay. […]

« Hindi Diwas 2024 » : mbola voakajy ary manana ny maha izy azy ny teny « hindi »

Anisan’ny itarafana ny maha izy azy ny firenena iray ny teniny. Mbola mitandro fatratra izany ny Indianina, izany indrindra no anisan’ny antony hankalazana ny “Hindi Diwas 2024”. Tontosa omaly, teny amin’ ny Foibe toeran’ny ma­soivohon’ny Inde, teny Tsaralalàna, ny lanonana fankalazana ny « Hindi Diwas 2024 ». Izy ity izay fahatsiarovana ny […]

Fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka : mampitombo ny fahatokisan-tena eo amin’ny olona tsirairay

Anisan’ny sakana mahazo ny ankamaroan’ny olona tsy handray fitenena imasom-bahoaka ny henatra, ny tahotra , ny tebiteby ara-tsosialy sy ny maro hafa. Mampitombo ny fahatokisan-tenan’ny tsirairay ny fandraisam-pitenenana matetika. Zava-dehibe ny fahafehezana sy fahaizana mandray fitenenana imasom-bahoaka. Mitaky fifehezana zavatra maro izany mba hahafahana maka ny fon’ny mpijery sy ny […]

FANTINA sy FINTINA

Notanterahina omaly, teny amin’ny minisite­ran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny fanolorana mari-pankasitrahana an’i Jorge Campins Figueras, Consul honoraire an’ny Repoblikan’i Madagasikara any Barce­lone. Ny andraikitra nosahaniny izay nisy akony lehibe tamin’ny fampivoarana sehatra maro teto Madagasikara. Nanamafy ny hanohizana hatrany ny fidinana ifotony ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Ben­ja­min Alexis, omaly, nandritra […]

Antananarivo Renivohitra : ny PDS teo aloha no saika ho kandidà

“Raha ny hitsiny sy ny rariny, izy no tokony ho natolotsika ho kandidà ben’ny Tanà­nan’ An­tananarivo.” Io ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tamin’ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan’ny loholona teo aloha sady PDS Antananarivo Renivohitra teo aloha, Rama­nambitana Richard, teny amin’ ny Lapan’ny Tanàna, Anala­kely, omaly. Olona nametra­hany ny […]