Auteur/autrice : Adnews

Ambanja : olona 22 nikasa hiondrana antsokosoko

Tsy mety fay mihitsy! Teo am-pikasana ny hiondrana antsokosoko hihazo an’i Mayotte indray ireo olona 22 no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary tao Ambanja, afakomaly misasakalina. Nahazo loharanom-baovao ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Nosy Be sy Ambanja momba ny fisian’ireo andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko mandeha sambo haingam-pandeha voalaza fa hihazo an’i Mayotte. […]

Fifandonana mahery vaika: zandary naratra voatifitra ny dahalo

Nidiran’ny bala teo amin’ny tongony, noho ny tifitra nataon’ny olon-dratsy, ny zandary GHC iray tao Andiolava, afakomaly. Efa nahazo fitsaboana izy. Zandary am-perinasa iray naratra mafy voatifitry ny dahalo tao Satrokala, kao­minina Andiolava, distrika Ihosy, faritra Ihorombe, afakomaly. Nanao fisafoana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy miisa telo no naharay antso fa […]