Hisy ny fananganana tohodrano mamokatra herinaratra eto amintsika, iarahana amin’i Indonezia. Hatao amin’ny taona 2025 ny fandinihana sy ny fikarohana ary hanomboka ny 2026 ny fanatanterahana azy. Manohana ny tetikasa ny Fiaraha-miasa alemà, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasan’ny telo tonta, firenena samy tatsimo sy Alemaina (SSTC). Vita sonia ny 3 septambra teo […]
Auteur/autrice : Adnews
Tao anatin’ny telo volana : 170 miliara ny euros nandalo teto Madagasikara
Mitotongana hatrany ny sandam-bola malagasy. Tao anatin’ny iray volana, manafosafo ny 5 000Ar ny euro iray. Omaly, nisanda 4 965,52 Ar ny euro iray, raha 4 524,70Ar kosa ny dolara. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitananam-bola, fa « mihena ny fampiasana ny euro eto amintsika raha oharina amin’ny dolara. […]
Banky foiben’i Madagasikara : mitady mpamatsy volamena
Miverina misokatra indray ny tolo-bidy amin’ny ividianan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) volamena. Manao antso ho fanehoana tombontsoa (appel à manifestation d’intérêt) ka mitady mpamatsy volamena ny BFM ka vonona handray ny vokatra rehetra na ny ampaham-bokatra mbola tsy voadio ananàn’ireo mpisehatra. Mpandraharaha ara-dalàna sy matihanina no tadiaviny, izany hoe ireo […]
Airtel Africa : vatsim-pianarana teknolojia ho an’ny firenena 14 aty Afrika
Nampahafantarina ny 10 septambra 2024 teo ny fandaharanasa vatsim-pianarana Airtel Africa, ho an’ny mpianatra hiditra ao amin’ny Sekoly ambony mahakasika ny teknolojia (IIT Madras Zanzibar). Hanohanana ny mpianatra mendrika, nefa sahirana ara-pivelomana, ity vatsim-pianarana ity. Sekoly ambony voalohany natsangan’ny Indian Institute of Technology Madras (IITM) any ivelany ny any Zanzibar […]
SOMBIM-BAOVAO
Mankalaza ny faha-25 taona nijoroany ny klioba mpilalao ny taranja tolona, CSLA na « Club sportif lutte Ambohimanarina. Araka izany, hisy ny fifanintsanana izay ho karakarain’izy ireo, eny amin’ny Epp Anosivavaka, manomboka ny sabotsy 5 oktobra ho avy izao, tsiahivina fa natokana ho an’ireo sokajy zandriny U11 sy U13 izany. Efa […]




