Tanterahina anio, eny amin’ny Centre AES Amboditsiry, ny seho entina manokatra amin’ny fomba ofisialy ny “Festival du rire Jôkôsô” andiany fahefatra. Hiavaka kely ny amin’ity andiany ity satria ny Magic Squad no hanafana ny sehatra mandritra izany fampisehoana fanokafana izany. Efa fanaon’ny mpikarakara ny manampy ivontoerana mitaiza ankizy, mandritra ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Tontolon’ny hira: nodimandry i Fanaiky (Solomiral)
Lavo ny andrarezin’ny zavakanto malagasy. Vitsy ny manan-talenta tahaka azy, eo amin’ny tontolon’ny hira… Tsy ho tazana eny an-tsehatra intsony izany. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly, i Fanaiky ! Rasolomahatratra Ny Herivelona, na i Fanaiky.Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-54 taonany ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity. Sady mpamoron-kira no mpandrindra, mpitendry gitara beso i […]
Ady amin’ny fakana an-keriny: mila helikoptera sy «drones»
Tonga ny fotoana tokony hampiasana ny helikoptera sy ny ”drones” nampanantenaina ny taona 2018. Mila izany ny toe-java-misy vokatry ny fakana an-keriny sy famonoana olona. Miara-mirona ny mpitandro filaminana avy amin’ny vondrona telo tonta : polisy, zandary, Tafika tao anatin’ny herinandro izao. Midina hatrany ambanivohitra ny polisim-pirenena izay natokana hiasa an-tanàn-dehibe […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mbola nisy nanatitra antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eny anivon’ny Ovec, Antananarivo Renivohitra. Hatramin’izao, olona manontany sy maka torohevitra ny amin’ny fakana taratasy no betsaka. Ny fahazoana taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena sy ny “casier judiciaire” no tena manahirana ireo mpirotsa-kofidina. Mbola handray anjara amin’ny fifidianana ben’ ny Tananàn’Ivato, […]
Pnud-Ceni : hajoro ny komity hamaritra ny fiaraha-miasa
“Raha ny resaka nifanaovana sy nifanarahan’ny Ceni sy ny Pnud, hisy ny komity manokana hamariparitana izay heverina fa zavatra maika tokony hahazoana mifanome tanana”. Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fitsidihan’ny solontena maharitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (Pnud) vaovao eto Madagasikara, […]




