Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Manakaiky ny ampahefatry (1/4) ny asa ny fanamboarana ny lalana fivoahana haingana (voie rapide) mampitohy ny RN2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tokony ho vita amin’ny volana mey 2026 ity asa ity, mirefy 9,6 km, tanterahin’ny orinasa Sinohydro. Ho ampiasain’ny fanjakana ny ambim-bolan’ny Fidirambolan’ny fanjakana madiodio (Rpi) tsy lany tamin’ny […]

Tetikasa PTaso : hampandroso ny indostrialy

Hampihena ny fanafarana vokatra ara-pambolena voahodina sy hanatsara ny fiarovana ara-pahasalamana ary hanatsara ny fahaiza-manao eo amin’ny mpamboly mpandraharaha ny tanjon’ny tetikasa PTaso. Hampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andre­fana ihany koa. Ankehitriny, mametraka ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (PAI) sy ny […]

Angovo azo havaozina : hizara traikefa ireo matihanina

Vahaolana iatrehana ny fahatapahan-jiro ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina. Hitondra ny anjara biriky, hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony ireo teknisiana, anio. Hotanterahina eny amin’ ny LTP Alarobia, raham­pitso, ny varavarana misokatra hampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamoka­rana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hizara ny traikefany, eny an-toerana, ireo […]

INDRAY MIJERY

Niakatra ho 821 250 ny tokantrano hisitraka ny tohana ara-bola “Tsimbina” raha noheverina ho 657 000 teny am-panombohana ny tetikasa. Ho an’Anta­nanarivo Renivohitra, mahatratra 150 000 ny tokantrano hisitraka ny 200 000 Ar, izay atao indroa mandoa amin’ ny mobile money. Tokantrano 522 759 no efa nahazo ny anjarany ho an’ny faritra maromaro. Hitohy […]

Parcours Médiations et Management Culturel : nanao fanadiovana faobe teny Ankatso

Mpianatra L3, mahatratra 62, ao amin’ny Parcours Média­tions et Management Culturel, amin’ny Mentions Études Françaises et de la Franco­phones, Oniversiten’Antana­narivo, no nanao fanadiovana faobe anatin’ny faritry ny oniversite, nanomboka omaly. Tafiditra anatin’ny module Médiation de développement local ny asa fanadiovana sady fanentanana ny mpianatra rehetra hifandrimbona hanatsara ny tontolo manodidina […]