Auteur/autrice : Adnews

Tsy efan’ny irery

  Mitohy ny ezaka diplomatika ataon’i Madagasikara! Manomboka ny fametrahana ambasadaoro malagasy any ivelany. Nisantatra izany i Maraoka sy Etazonia. Noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, izany. Manaporofo fa manao ady sisika goavana ny Malagasy amin’ny fametrahana ny toerany amin’ny tokony hisy azy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miandry ny fankatoavana avy […]

Rabary Paul: “Mahavelombolo ny fanendrena PDS”

Am-perinasa tanteraka ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Mitondra ny heviny, Rabary Paul, mpandinika fiarahamonina. «Mahavelombolo: maninona no Ra­manantsoa Harilala no PDS? Satria olona azo lazaina hoe tafita teo amin’ny fiainana, teo amn’ny fikirizana eo amin’ny lafiny fandraharahana, ary manana hevitra be dia be izay tsy mbola nisy nanao […]

TSELATRA

Avotra soa aman-tsara ny renim-pianakaviana iray teraka an-dalana teo akaikin’ny fanariam-pako, eny Antanimena, afakomaly. Niezaka nifanome tanana taminy ireo olona nahita izany mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina. Efa nentina namonjy hopitaly izy mianaka ka tsy nisy atahorana. Hita tao anaty taksiborosy nandritra ny fisavan’ny zandary ao Andranohinaly, Toliara II, RN7 […]

Halatra vola tao amin’ny banky: olona telo naiditra violon ao Ambovombe

Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana an’ilay lehilahy mpiasan’ny banky iray ao Ambovombe nangalatra vola 335 tapitrisa Ar tao anaty vatamafihidy, ny alatsinainy teo. Mivoatra tsikelikely ny famotorana, tao anatin’izany no nahatrarana olona telo (ny rainy, ny dadatoany, ny anabaviny) akaiky azy. Nifan­dray matetika tamin’ilay lehilahy mpiasan’ny banky izy […]

Tao anaty kizo: taolam-paty telo gony hitan’ny miaramila

Saika hatao inona? Taolam-paty marobe tanaty gony no hitan’ny lehiben’ireo miaramila mpiandry kizo ao Analamarina, kaominina Tsaratanàna, distrikan’Ifanadiana, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo fampandrenesana momba ny fisian’ity taolam-paty ity ireo miaramila ka voamarina tokoa ny fisian’izany tao amin’ny kirihitr’ala manamorona ny lalana mihazo an’Ambohimanga Atsimo, ao Sandrasaty. Tonga teny an-toerana koa […]