Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Volavolaina ny didim-panjakana mifehy ny vidin’ny herinaratra, ho an’ny mpisehatra amin’ny herinaratra. Mandray anjara amin’izany ny teknisian’ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny ORE, ny Jirama ary ny Ader. Manohana ny fanatanterahana azy ny Banky iraisam-pirenena miaraka amin’ny kabinetra matihanina. Miisa 22 ny mpanjono any Farafangana miofana mikasika ny Rafitra amin’ny loza […]

Hanamafy ny fahaiza-manaony : Malagasy 14 hianatra sy hiasa any Japon

Hanainga, anio, ny ampahany amin’ireo Malagasy 14 mianadahy nisitraka vatsim-pianarana any Japon, raha amin’ny herinandro ho avy kosa ny ampahany manaraka no hiala eto an-tanindrazana. Ny dimy amin’izy ireo no nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fampi­a­narana, ny Kolontsaina, ny Fanatanjanhantena, ny Sian­sa ary ny Teknolojia japoney ka ny efatra hianatra […]

Tsy ho mahery am-boalohany !

  Mandrakotra ny tambajotran-tserasera ireo minisitra sy ny sekreteram-panjakana amin’izao fotoana izao. Milomay mampiranty ny hetsika ataony avokoa. Tena mahavelombolo raha ny fisehosehoana tamin’ny herinandro voalohany. Tafiditra tsara amin’ny hafangainam-pandehan’ ny lamasinina TGV izy rehetra. Manodoka sy mitondra tsirim-pantenana izany ilay fomba fiasa. Hirariana tsy hafana fo am-boalohany fotsiny na […]

Andriamparany Carl : hampandroso an’i Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany

Nisy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Oniversite Toliara, ny 22 aogositra teo, mikasika ny harena an-kibon’ny tany. Nandray anjara tamin’izany ny tonia mpanatanteraka ny Antenimieran’ny harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl. Nohazavain’Andriamparany Carl, manoloana ny mpianatry oniversite, fa manan-karena ambanin’ny ta­ny i Madagasikara, izay afa­ka mi­­tondra fampandrosoana ara-toekarena. Hampihena ny fahazotoan’ny mpampiasa vo­la […]

TSELATRA

Hita, omaly, ny nofomangatsiak’ireo olona roa tamin’ny faharendrehan’ny botry iray tao Mahajanga. Niainga avy ao Mahajanga hihazo an’Ampitsompitsoka Namakia ity botry ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Zazakely roa taona ny iray amin’ireo namoy ny ainy nantsingevan’ny ranomasina. Tratran’ny polisy mpanao fisafoana ireo jiolahy roa tao Tsiroanomandidy. Ny iray nitondra […]