Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Club du Car, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “African circuit”, taranja tenisy ho an’ny sokajy U14, zazalahy sy zazavavy. Nisongadina ny Malagasy mpilalao, Andriamaniraka Soa Ainatia, izay nanao pao-droa. Voahosotra ho tompondaka ny tovovavy teo amin’ny olon-tokana, rehefa nandresy an’i Lara […]
Auteur/autrice : Adnews
Lalao Paralympika : hanomboka anio ny fifaninanana
Tapa-bolana taorian’ny fahavitan’ny lalao Olympika ho an’ny atleta salama ara-batana, hiditra an-tsehatra indray, manomboka anio, ireo manana fahasembanana. Hampiantrano izany hatrany i Frantsa. Haharitra hatramin’ny 8 septambra ny fihaonana, izany hoe, hifaninana mandritra ny 11 andro ireo atleta miisa 4 400 manerana ny vazantany efatra. Miisa 23 ireo taranja hiadiana […]
Ping Pong – Afrika 2024: mbola baraingo ny fandraisan’ i Madagasikara anjara
Tsy mbola misy resaka na fanapahan-kevitra noraisina ny fiatrehan’i Madagasikara anjara amin’ny fifaninanana afrikanina amin’ny volana oktobra ho avy io, any Ethiopie. Ny 29 aogositra izao no hanomboka ny fifaninanana nasionaly. Hotanterahina any Addis Abeba, ny 18 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy […]
TARATRY ny KANTO
“Festival Alefa Parkour”, andiany fahatelo. Tanterahina anio hatramin’ny 8 septambra izao, etsy amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano. Hetsika ara-kolontsaina mifangaro ara-panatanjahantena karakarain’ny fikambanana Traceur Gasy. Natao hanasongadinana ny fahatokisan-tena sy ny fahaiza-mamorona ary ny fanajana ny hafa. Ahitana fandefasana horonantsary mahakasika ny lohahevitra “parkour”, fampirantiana sy fanofanana momba izany ihany koa. […]
Fahamaroan’ny mpijery tao Moramanga: indroa niditra ny fampisehoan’ny Iray Fy’Art
Niavaka tamin’ireo fitetezam-paritra nataon’ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, Iray Fy’Art, ny seho notanterahina tao Moramanga, ny alahady teo. Marobe ireo mpankafy tsy tafiditra. Sendran’ny tsy azo anoarana sy ny tsy nampoizina. “Tena feno hipoka sy efa mitsangana daholo ireo mpijery tonga ato amin’ny Tranoben’ny kolontsaina eto Ambohibary. Mbola milahatra lavabe […]




