Auteur/autrice : Adnews

Fifidianana filoham-pirenena : 200 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina

200 tapitrisa Ar ny fandraisana anjara amin’ny fanontana bileta tokana, araka ny tolo-kevitry ny Ceni, tamin’ny fanapahan’ny governemanta teny Mahazoarivo, afakomaly, momba ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tamin’ny 2013 no nisy fanovana farany izany, izay 50 tapitrisa Ar. Ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany. Ny alarobia 20 desambra ny fihodinana […]

Namearison Robert : “Mbola hiverina ny tsy fetezana noho ny tsy fanatsarana ny lalàm-pifidianana”

Hatramin’izao, tsy misy fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Manahy ny fiverenan’ny tsy fetezana teo aloha ny KMF/Cnoe. Fanehoan-kevitra sy fanazavana… “Mbola hiverina izany ny tsy fetezana hatramin’izay, fa tsy nohatsaraina ny lalàm-pifidianana. Mbola hiampy tsy fetezana vaovao…” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, momba ny fiatrehana […]

TARATRY ny KANTO

Hahazo fampitaovana ireo fotodrafitrasa vita fanamboarana, eo ambany fitantanan’ny MSK. Nan­katoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanome­zana tetibola fanampiny hividianana fitaovana, ho an’ireo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina any Taola­gnaro, Toliara, Ambositra, Manakara ary Ambo­vombe. Eo koa ny ANAC sy ny Havoria, samy etsy Anosy. Hotontosaina ny sabotsy izao ny “Festival […]

“Volana iray, mpanoratra iray”: fantaro i Natioramena Narda

Natioramena Narda no anarany. Natiora kosa no solon’ anarana entiny eo amin’ny asa soratra sy asa sary. Mpa­noratra, poeta ary milomano ao anatin’ny teny satria mpam­pianatra ny taranja Malagasy, Anglisy ary Frantsay izy. Namolavola an’i Natiora ho tonga mpanoratra ny faha­zazana teny ambanivohitra, henika tsianjery sy famoronana kilalao ary asa […]

Fampianarana mozika : nifampizara ny Anac sy ny sekoly avy any Italia

Tontosa, omaly, teny amin’ ny Academie nationale des arts et de la culture (Anac), Anosy, ny fampiofanana momba ny mozika, notarihin’i Fran­cesca Sivori, avy amin’ny Ecole de musique Allegromo­derato, avy any Italia. Fizarana fahaiza-manao amin’ny fiten­drena karazana zavamaneno maro samihafa no natao tamin’ izany. Maro ny Malagasy, araka ny nambaran’ny […]