Nidina ifotony nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny asa sosialy sy ny fahasalamana, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Anjaran’ny mponina eny amin’ny Boriborintany faha-V no nisitraka izany. Nizara roa ny toerana ka ny sasany eny amin’ny fokontany Ambohimirary […]
Auteur/autrice : Adnews
Seces Antananarivo : mitaky ny fialan’ny praiminisitra
Takin’ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo, ny fialan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Fampianarana ambony ary ny minisitry ny Vola sy ny toekarena. Tsy nahatanteraka ny andraikiny izy ireo momba ny fanomezana vahaolana amin’ny fitakian’ny Seces ny antony. Nanao fanambarana izy ireo taorian’ny fivoriana, ny […]
Fokontany Tsarahasina, Ambohimangakely: novakina ny vatobe roa milanja 2200t
Tsy maintsy novakina amin’ny tanana ny vatobe roa ahina hiala amin’ny toerana ka hitera-doza ho an’ny vahoaka manodidina an’i Tsarahasina. Vatobe roa, milanja 2000t sy 200t, no novakina tao anatin’ny fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ho fanalefahana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny mponina manodidina rehetra monina eo, araka ny […]
Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa: nankasitraka ny ezaky ny fitondrana ny OIT
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, i Yvette Sylla, ny talen’ny biraon’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa, Dr Coffi Agossou. Notanterahina Ny 11 jolay 2023, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny izany fihaonana izany. Mahakasika ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) no noresahina tamin’izany. […]
Andrianainarivelo Hajo: “Mila faranana ny fitantanana tsy mahomby”
Nitondra ny heviny momba ny nivoahan’ny datim-pifidianana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarinarivelo Hajo, omaly. Nambarany fa efa notakin’izy ireo herintaona lasa izany tetiandro izany fa namoaka ihany ny governemanta rehefa tratry ny tsindry avy amin’ny mpamatsy vola. Manaporofo izany fa tsy vonona amin’ny fifidianana ny fanjakana raha tsy voatery. Notakiny […]