Auteur/autrice : Adnews

Fanabeazana maha olona : tsy ampy hira malagasy ireo taranaka

Hira, iray amin’ireo fomba na fitaovana nentin’ny Mala­gasy nanabe sy nitaiza ny zanany. Tany ambadik’Imana­reza, tsy nahenoina hira vahiny nokaloin’ny taranaka malagasy, teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Nahazo laka ny fihirana ny « Diavolana fenomanana takariva », « Fialo­nana », sns. Tafiditra tao anatin’ny fanabeazana avokoa ny tahaka ireny. Nanana ny akony tamin’ny taranaka Malagasy. […]

Tantaram-pirenena: havoaka anio ny boky “Feux, fièvres, forêts”

Ela niandrasana ny mpankafy boky malagasy, indrindra ireo liana amin’ny resaka tantara. Maro ny vahiny no babon’ ity “Feux, fièvres, forêts” ity, indrindra nandritra ny famoahana azy voalohany ny volana marsa 2023. Tanterahina anio, eny amin’ny Trano fivarotam-boky « Il était une fois » Ankorondrano, ny fanehoana ny boky “Feux, fièvres, forêts”, […]

Nify marary : miteraka aretina toy ny “rhumatisme articulaire” raha tsy voatsabo ara-dalàna

Aretina iray tena mampijaly ny an­kamaroan’ny olona ny areti-nify. Vanim-potoana mampihetsika azy ny vaninandro ririnina tahaka izao. Tsara ny manatona mpitsabo avy hatrany vao ma­nomboka mandre maharary mba tsy hahatongavana amin’ny aretina hafa, hoy ny mpitsabo. Matetika rehefa simba ny nify vao manatona mpitsabo ny ankamaroan’ny olona. “Tsy misy fitsaboana […]

FANTINA sy FINTINA

Hiaraha-hiasa ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (Pnud) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) amin’ny fanohanana ny sehatra tsy miankina. Hatsaraina ihany koa ny taha-pahavitrihan’i Madagasikara amin’ny varotra sy ny fandraharahana. Hamafisina ny fiaraha-miasa i Madagasikara sy Indonezia eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny […]